< Tonon-kiran'i Solomona 2 >

1 Izaho dia voninkazo eny an-tanety ihany sy lilia eny an-dohasaha.
Je suis la rose de Saron et le lis des vallées.
2 Toy ny lilia eo amin’ ny tsilo, dia toy izany tompokovavy havako eo amin’ ny zazavavy.
Comme le lis au milieu des épines, telle est ma bien-aimée parmi les jeunes filles.
3 Toy ny hazo poma amin’ ny hazo any an’ ala, dia toy izany ny malalako eo amin’ ny zatovo. Mahafinaritra ahy indrindra ny mipetraka eo ambanin’ ny alokalony, sady mamy ao am-bavako ny voany.
Comme le pommier au milieu des arbres de la forêt, tel est mon bien-aimé parmi les jeunes hommes; j'ai désiré son ombrage, et m'y suis assise, et son fruit a été doux à mon palais.
4 Nentiny ho ao an-tranon-divay aho, ary ny fanevany eo amboniko dia fitiavana.
Il m'a mené dans la salle du festin, et l'étendard qu'il lève sur moi, porte: AMOUR.
5 Hatanjaho amin’ ampempam-boaloboka aho, ary velombelomy amin’ ny poma aho, fa mararim-pitia.
Ranimez-moi avec du raisin; fortifiez-moi avec des pommes, car je me pâme d'amour.
6 Aoka ny tànany ankavia hanondana ahy, ary aoka ny tànany ankavanana hanohona ahy.
Que sa main gauche soit sous ma tête, et que sa droite m'embrasse!
7 Mampianiana anareo amin’ ny gazela na amin’ ny dieravavy any an-tsaha aho, ry zanakavavin’ i Jerosalema: Aza manaitra na mamoha ny fitiavana raha tsy efa sitrapony.
Filles de Jérusalem, je vous adjure par les gazelles et les biches des champs, ne réveillez pas, ne réveillez pas celle que j'aime, avant qu'elle le veuille.
8 Injay, ny feon’ ilay malalako! Indro, tamy izy ka miantsambotsambotra eny an-tendrombohitra ary mitsambitimbikina eny amin’ ny havoana.
C'est ici la voix de mon bien-aimé; le voici qui vient, sautant sur les montagnes, et bondissant sur les coteaux.
9 Ny malalako dia tahaka ny gazela na ny diera tanora; Indro, mijanona eo ala-tranonay izy, mitsidika eo am-baravarankely, manarangarana eo amin’ ny makarakara.
Mon bien-aimé est semblable à la gazelle, ou au faon des biches; le voilà qui se tient derrière notre muraille; il regarde par les fenêtres, il s'avance par les treillis.
10 Niteny ny malalako ka nanao tamiko hoe: Mitsangàna, ry tompokovavy havako, ry tsara tarehiko, ka andeha ary!
Mon bien-aimé parle et me dit: Lève-toi, ma bien-aimée, ma belle, et viens!
11 Fa, indro, lasa ny ririnina, ritra tsy misy intsony ny ranonorana;
Car voici, l'hiver est passé, la pluie a cessé, elle s'en est allée;
12 Miposaka eo amin’ ny tany ny voninkazo; Tonga ny taona fanaovam-peo fifaliana, ary re atỳ amin’ ny tanintsika ny feon’ ny domohina.
Les fleurs paraissent sur la terre, le temps des chansons est venu, et la voix de la tourterelle se fait entendre dans nos campagnes.
13 Ny aviavy mahamanitra ny voany tanora, mamony ny voaloboka ka mamerovero tsara. Mitsangàna, ry tompokovavy havako, ry tsara tarehiko, ka andeha ary!
Le figuier a poussé ses premières figues, et les vignes ont des grappes et exhalent leur odeur. Lève-toi, ma bien-aimée, ma belle, et viens!
14 E, ry voromailalako ao amin’ ny tsefatsefaky ny harambato, dia ao amin’ ny fialokalofana amin’ ny fiakarana mideza, aoka hahita ny endrikao sy handre ny feonao aho; Fa mamy ny feonao, sady mahafinaritra ny endrikao.
Ma colombe, qui te tiens dans les fentes du rocher, qui te caches dans les lieux escarpés, fais-moi voir ton regard, et fais-moi entendre ta voix; car ta voix est douce, et ton regard est gracieux.
15 Sambory ny amboahaolo, dia ireo amboahaolo madinika izay manimba ny tanim-boaloboka; Fa efa mamony izao ny voalobotsika.
Prenez-nous les renards, les petits renards, qui gâtent les vignes, depuis que nos vignes ont des grappes.
16 Ahy ny malalako, ary azy aho, dia ilay miandry ny ondriny eny amin’ ny lilia.
Mon bien-aimé est à moi, et je suis à lui; il paît son troupeau parmi les lis.
17 Mandra-pangatsiatsiaky ny andro, ka efa hilentika ny masoandro, mitodiha, ry ilay malalako, ary aoka ho tahaka ny gazela na ny diera tanora eny an-tendrombohitra be hantsana ianao.
Avant que le vent du jour souffle, et que les ombres fuient, reviens, mon bien-aimé, comme la gazelle, ou le faon des biches, sur les montagnes qui nous séparent.

< Tonon-kiran'i Solomona 2 >