< Romana 9 >

1 Milaza ny marina ao amin’ i Kristy aho, fa tsy mandainga, sady miara-milaza amiko ao amin’ ny Fanahy Masìna koa ny fieritreretako,
Nasema ukweli mtupu; nimeungana na Kristo nami sisemi uongo. Dhamiri yangu ikiongozwa na Roho Mtakatifu inanithibitishia jambo hili pia.
2 fa mafy ny alaheloko, ka tsy mety mitsahatra ny fahorian’ ny foko.
Nataka kusema hivi: nina huzuni kubwa na maumivu yasiyopimika moyoni mwangu
3 Fa efa saiky niriko aza ho voaozona ho afaka tamin’ i Kristy ny tenako mba hahavonjeko ny rahalahiko, havako araka ny nofo,
kwa ajili ya watu wangu, walio damu moja nami! Kama ingekuwa kwa faida yao, ningekuwa radhi kulaaniwa na kutengwa na Kristo.
4 izay Isiraelita sady manana ny fananganan’ anaka sy ny voninahitra sy ny fanekena sy ny fanomezana ny lalàna sy ny fombam-pivavahana ary ny teny fikasana;
Hao ndio watu wa Israeli ambao Mungu aliwateua wawe watoto wake, akawashirikisha utukufu wake; aliagana nao, akawapa Sheria yake, imani ya kweli na ahadi zake.
5 azy koa ny razana, sady avy taminy araka ny nofo Kristy, Izay ambonin’ izy rehetra, Andriamanitra isaorana mandrakizay. Amena. (aiōn g165)
Wao ni wajukuu wa mababu, naye Kristo, kadiri ya ubinadamu wake, ametoka katika ukoo wao. Mungu atawalaye juu ya yote, na atukuzwe milele! Amina. (aiōn g165)
6 Kanefa tsy lazaiko fa foana ny tenin’ Andriamanitra tsy akory. Fa tsy izay rehetra avy amin’ ny Isiraely no Isiraely.
Sisemi kwamba ahadi ya Mungu imebatilika; maana si watu wote wa Israeli ni wateule wa Mungu.
7 Ary na dia taranak’ i Abrahama aza ireo, tsy dia ary zanany avokoa; fa avy amin’ isaka no hantsoina izay taranaka ho anao.
Wala, si wazawa wote wa Abrahamu ni watoto wake wa kweli. Ila, kama yasemavyo Maandiko Matakatifu: “Wazao wake watatokana na Isaka.”
8 Izany hoe: Tsy ny zanaky ny nofo no zanak’ Andriamanitra; fa ny zanaky ny teny fikasana no isaina ho taranaka.
Nido kusema, wale waliozaliwa kimaumbile ndio watoto wa Mungu, bali wale waliozaliwa kutokana na ahadi ya Mungu ndio watakaoitwa watoto wake.
9 Fa izao no filàzan’ ny teny fikasana: Raha avy ny taona toy izao, dia ho avy Aho, ary hanana zazalahy Saraha.
Maana ahadi yenyewe ni hii: “Nitakujia wakati maalum, naye Sara atapata mtoto.”
10 Ary tsy izany ihany, fa Rebeka koa dia nanan’ anaka tamin’ ny anankiray, dia tamin’ isaka razantsika;
Tena si hayo tu ila pia Rebeka naye alipata mapacha kwa baba mmoja, yaani Isaka, babu yetu.
11 fa raha tsy mbola teraka ireo, ary tsy mbola nanao tsara na ratsy (mba hitoeran’ ny fikasan’ Andriamanitra araka ny fifidianana, tsy avy amin’ ny asa, fa avy amin’ izay miantso),
Lakini, ili Mungu aonekane kwamba anao uhuru wa kuchagua, hata kabla wale ndugu hawajazaliwa na kabla hawajaweza kupambanua jema na baya,
12 dia nolazaina tamin-dravehivavy hoe: Ny zokiny hanompo ny zandriny;
Rebeka aliambiwa kwamba yule mtoto wa kwanza atamtumikia yule wa nyuma. Hivyo uchaguzi wa Mungu unategemea jinsi anavyoita mwenyewe, na si matendo ya binadamu.
13 araka ny voasoratra hoe: Jakoba no tiako, fa Esao no halako.
Kama Maandiko Matakatifu yasemavyo: “Yakobo nilimpenda, lakini Esau nilimchukia.”
14 Ahoana ary no holazaintsika? Misy tsi-fahamarinana va amin’ Andriamanitra? Sanatria izany!
Basi, tuseme nini? Je, Mungu amekosa haki? Hata kidogo!
15 Fa hoy Izy tamin’ i Mosesy: Izaho hiantra izay hiantrako, ary hamindra fo amin’ izay hamindrako fo.
Maana alimwambia Mose: “Nitamhurumia mtu yeyote ninayetaka kumhurumia; nitamwonea huruma mtu yeyote ninayetaka.”
16 Koa dia tsy avy amin’ izay maniry na amin’ izay mihazakazaka izany, fa avy amin’ Andriamanitra Izay miantra.
Kwa hiyo, yote hutegemea huruma ya Mungu, na si bidii au mapenzi ya mtu.
17 Fa hoy ny Soratra Masìna tamin’ i Farao: Izany no nanandratako anao, mba ho entiko mampiseho ny heriko, ary mba hanambarana ny anarako any amin’ ny tany rehetra.
Maana Maandiko Matakatifu yasema hivi kwa Farao: “Nilikufanya mfalme ili kwa njia yako, uwezo wangu ujulikane, na jina langu litangazwe popote duniani.”
18 Koa izay tiany hamindrana fo no amindrany fo, ary izay tiany hohamafìna fo no hamafiny fo.
Ni wazi, basi, kwamba Mungu humhurumia yeyote anayetaka kumhurumia, na akipenda kumfanya mtu awe mkaidi, hufanya hivyo.
19 Hianao ary dia hanao amiko hoe: Koa nahoana Izy no manome tsiny ihany? Fa iza no manohitra ny sitrapony?
Labda utaniuliza: “Ikiwa mambo yako hivyo, Mungu anawezaje kumlaumu mtu? Nani awezaye kuyapinga mapenzi yake?”
20 Tsia, ralehilahy, fa iza moa ianao, no mamaly an’ Andriamanitra? Izay zavatra noforonina va hanao amin’ izay namorona azy hoe: Nahoana Hianao no nanao ahy toy izao?
Lakini, ewe binadamu, u nani hata uthubutu kumhoji Mungu? Je, chungu chaweza kumwuliza mfinyanzi wake: “Kwa nini umenitengeneza namna hii?”
21 Ny mpanefy vilany va tsy manam-pahefana amin’ ny tanimanga, ka ny vongany iray ihany no anaovany zavatra samy hafa, ny iray hohajaina, ary ny iray hatao tsinontsinona?
Mfinyanzi anaweza kuutumia udongo apendavyo na kufinyanga vyungu viwili kwa udongo uleule; kimoja kwa matumizi ya heshima, na kingine kwa matumizi ya kawaida.
22 Sa ahoana kosa raha Andriamanitra, na dia ta-haneho ny fahatezerany sy hampahafantatra ny heriny aza, dia be fahari-po ka nandefitra tamin’ izay fanaky ny fahatezerana voavoatra hosimbana,
Hivyo ndivyo ilivyo kwa Mungu. Alitaka kuonyesha ghadhabu yake na kujulisha uwezo wake, Basi, alikuwa na saburi sana, akiwavumilia wale ambao walikuwa lengo la ghadhabu yake, ambao walistahili kuangamizwa.
23 mba hampahafantarina koa ny haren’ ny voninahiny amin’ izay fanaky ny famindram-po, izay namboariny rahateo hahazo voninahitra,
Alitaka pia kudhihirisha wingi wa utukufu wake ambao alitumiminia sisi tulio lengo la huruma yake; sisi ambao alikwisha kututayarisha kuupokea utukufu wake.
24 dia isika izay nantsoiny koa, tsy ny avy amin’ ny Jiosy ihany, fa ny avy amin’ ny jentilisa koa,
Maana sisi ndio hao aliowaita, si tu kutoka miongoni mwa Wayahudi bali pia kutoka kwa watu wa mataifa mengine.
25 araka izay lazainy eo amin’ i Hosea hoe: Hiantso ny tsy oloko hoe oloko Aho; Ary ilay tsy malala hoe malala;
Maana ndivyo asemavyo katika kitabu cha Hosea: “Wale waliokuwa Si watu wangu nitawaita: Watu wangu! Naye Sikupendi ataitwa: Mpenzi wangu!
26 Ary any amin’ ny tany izay nilazana taminy hoe: Tsy oloko ianareo, Dia any no hiantsoana azy hoe zanak’ Andriamanitra velona.
Na pale walipoambiwa: Ninyi si wangu hapo wataitwa: Watoto wa Mungu hai.”
27 Ary Isaia milaza ny amin’ ny Isiraely hoe: Na dia toy ny fasika any amin’ ny ranomasina aza ny isan’ ny Zanak’ isiraely, dia izay sisa ihany no hovonjena;
Naye nabii Isaya, kuhusu Israeli anapaaza sauti: “Hata kama watoto wa Israeli ni wengi kama mchanga wa pwani, ni wachache tu watakaookolewa;
28 fa amin’ ny fahatanterahana faingana no hanefan’ i Jehovah ny teniny ambonin’ ny tany;
maana, Bwana ataitekeleza upesi hukumu yake kamili juu ya ulimwengu wote.”
29 ary araka izay nolazain’ Isaia fahiny hoe: Raha tsy Jehovah, Tompon’ ny maro, no namela taranaka ho antsika, Dia efa tonga tahaka an’ i Sodoma sy tonga tahaka an’ i Gomora isika.
Ni kama Isaya alivyosema hapo awali: “Kama Bwana Mwenye Nguvu asingalituachia baadhi ya watoto wa Israeli, tungalikwisha kuwa kama Sodoma, tungalikwisha kuwa ma Gomora.”
30 Ahoana ary no holazaintsika? Ny jentilisa, izay tsy nitady fahamarinana, no nahazo fahamarinana, nefa fahamarinana izay avy amin’ ny finoana?
Basi, tuseme nini? Ni hivi: watu wa mataifa ambao hawakutafuta kukubaliwa kuwa waadilifu, wamekubaliwa kuwa waadilifu kwa njia ya imani,
31 fa ny Isiraely, izay nitady lalàn’ ny fahamarinana kosa, dia tsy nahatratra izany lalàna izany.
hali watu wa Israeli waliokuwa wakitafuta Sheria iletayo kukubaliwa kuwa waadilifu, hawakuipata.
32 Nahoana moa? Satria tsy tamin’ ny finoana, fa toa tamin’ ny asa, ka tafintohina tamin’ ny vato mahatafintohina izy;
Kwa nini? Kwa sababu walitegemea matendo yao badala ya kutegemea imani. Walijikwaa juu ya jiwe la kujikwaa
33 araka ny voasoratra hoe: Indro Aho mametraka vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka ao Ziona; Ary izay mino Azy tsy ho menatra.
kama yesemavyo Maandiko Matakatifu: “Tazama! Naweka huko Sioni jiwe likwazalo, mwamba utakaowafanya watu waanguke. Mtu atakayemwamini yeye aliye hilo jiwe, hataaibishwa!”

< Romana 9 >