< Romana 10 >

1 Ry rahalahy, ny irin’ ny foko sy ny angatahiko amin’ Andriamanitra ho an’ ireny dia famonjena.
Ndugu zangu, ninataka na kutazamia kwa moyo wangu wote hao wananchi wenzangu wakombolewe. Tena nawaombea kwa Mungu daima.
2 Fa vavolombelon’ ireny aho fa mazoto ho an’ Andriamanitra izy, saingy tsy araka ny fahalalana.
Maana naweza kuthibitisha kwa niaba yao kwamba wanayo bidii ya kumtafuta Mungu; lakini bidii hiyo haikujengwa juu ya ujuzi wa kweli.
3 Fa satria tsy nahalala ny fahamarinana avy amin’ Andriamanitra izy ka nitady hanamarina ny tenany, dia tsy nanaiky ny fahamarinana avy amin’ Andriamanitra.
Maana hawakufahamu jinsi Mungu anavyowafanya watu wawe waadilifu, na wamejaribu kuanzisha mtindo wao wenyewe, na hivyo hawakuikubali njia hiyo ya Mungu ya kuwafanya wawe waadilifu.
4 Fa Kristy no faran’ ny lalàna ho fahamarinana ho an’ izay rehetra mino.
Maana kwa kuja kwake Kristo, Sheria imefikia kikomo chake, ili kila mtu anayeamini akubaliwe kuwa mwadilifu.
5 Fa Mosesy nanoratra milaza fa izay olona manao ny fahamarinana avy amin’ ny lalàna no ho velona amin’ izany.
Kuhusu kukubaliwa kuwa mwadilifu kwa kuitii Sheria, Mose aliandika hivi: “Mtu yeyote anayetimiza matakwa ya Sheria ataishi.”
6 Fa ny fahamarinana izay avy amin’ ny finoana kosa manao hoe: Aza milaza ao am-ponao hoe; Iza no hiakatra any an-danitra? (dia ny hampidina an’ i Kristy izany, )
Lakini, kuhusu kukubaliwa kuwa mwadilifu kwa njia ya imani, yasemwa hivi: “Usiseme moyoni mwako: Nani atapanda mpaka mbinguni? (yaani, kumleta Kristo chini);
7 na: Iza no hidina any amin’ ny lalina? (dia ny hampiakatra an’ i Kristy avy any amin’ ny maty izany.) (Abyssos g12)
wala usiseme: Nani atashuka mpaka Kuzimu (yaani, kumleta Kristo kutoka kwa wafu).” (Abyssos g12)
8 Fa ahoana no lazainy? Eo akaikinao ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao, dia ny teny ny amin’ ny finoana, izay torinay;
Maandiko Matakatifu yesema hivi, “Ujumbe huo wa Mungu uko karibu nawe, uko kinywani mwako na moyoni mwako” nao ndio ile imani tunayoihubiri.
9 satria raha manaiky an’ i Jesosy ho Tompo amin’ ny vavanao ianao ary mino amin’ ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ ny maty, dia hovonjena ianao.
Kama ukikiri kwa kinywa chako kwamba Yesu ni Bwana na kuamini moyoni mwako kwamba Mungu alimfufua kutoka wafu, utaokoka.
10 Fa amin’ ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin’ ny vava no anekena hahazoana famonjena.
Maana tunaamini kwa moyo na kukubaliwa kuwa waadilifu; na tunakiri kwa midomo yetu na kuokolewa.
11 Fa hoy ny Soratra Masìna: Tsy ho menatra izay rehetra mino Azy.
Maandiko Matakatifu yasema: “Kila amwaminiye hatakuwa na sababu ya kuaibika.”
12 Fa tsy misy hafa, na Jiosy na jentilisa, fa iray ihany no Tompon’ izy rehetra, sady manan-karena homeny izay rehetra miantso Ary Izy.
Jambo hili ni kwa wote, kwani hakuna tofauti kati ya Wayahudi na wasio Wayahudi; Bwana wa wote ni mmoja, naye ni mkarimu sana kwao wote wamwombao.
13 Fa izay rehetra miantso ny anaran’ ny Tompo no hovonjena.
Maana Maandiko Matakatifu yasema: “Kila mtu atakayeomba kwa jina la Bwana, ataokolewa.”
14 Hataony ahoana ary no fiantso izay tsy ninoany? Ary hataony ahoana no fino izay Olona tsy reny? Ary hataony ahoana no fandre raha tsy misy mpitory?
Basi, watamwombaje yeye ambaye hawamwamini? Tena, watamwaminije kama hawajapata kusikia habari zake? Na watasikiaje habari zake kama hakuna mhubiri?
15 Ary hataony ahoana no fitory, raha tsy nirahina? araka ny voasoratra hoe: Akory ny hatsaran’ ny tongotr’ iry mitondra teny soa mahafaly!
Na watu watahubirije kama hawakutumwa? Kama yasemavyo Maandiko Matakatifu: “Ni jambo la kupendeza mno kuja kwa wale wanaohubiri Habari Njema!”
16 Nefa tsy izy rehetra no nanaiky ny teny soa mahafaly. Fa hoy Isaia: Jehovah ô, iza no nino ny teny nampitondraina anay?
Lakini wote hawakuipokea hiyo Habari Njema. Maana Isaya alisema: “Bwana, ni nani aliyeamini ujumbe wetu?”
17 Koa ny finoana dia avy amin’ ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin’ ny tenin’ i Kristy.
Hivyo basi, imani inatokana na kuusikiliza ujumbe, na huo ujumbe unatokana na neno la Kristo.
18 Fa hoy izaho: Sao tsy nahare izy? Tsia; fa Efa nivoaka ho any amin’ ny tany rehetra ny feony, Ary izay mino Ary tsy ho menatra, Ary ny teniny hatramin’ ny faran’ izao rehetra izao.
Lakini nauliza: je, hawakuusikia huo ujumbe? Naam, waliusikia; kama Maandiko Matakatifu yasemavyo: “Sauti yao imeenea duniani kote; maneno yao yamefika mpaka kingo za ulimwengu.”
19 Fa hoy izaho: Sao tsy nahalala ny Isiraely? Voalohany, Mosesy manao hoe: Izaho hampialona anareo amin’ izay tsy firenena, Dia amin’ ny firenena adala no hampahasosorako anareo.
Tena nauliza: je, yawezekana kwamba watu wa Israeli hawakufahamu? Mose mwenyewe ni kwa kwanza kujibu: “Nitawafanyeni mwaonee wivu watu ambao si taifa; nitawafanyeni muwe na hasira juu ya taifa la watu wapumbavu.”
20 Fa sahy mihitsy Isaia ka manao hoe: Hitan’ izay tsy nitady Ahy Aho, Ary niseho tamin’ izay tsy nanontany Ahy.
Tena Isaya anathubutu hata kusema: “Wale ambao hawakunitafuta wamenipata; nimejionyesha kwao wasiouliza habari zangu.”
21 Fa ny amin’ ny Isiraely dia hoy izy: Mandritra ny andro no efa naninjirako ny tanako tamin’ izay firenena sady tsy manaraka no mandà.
Lakini kuhusu Israeli anasema: “Mchana kutwa niliwanyoshea mikono yangu watu waasi na wasiotii.”

< Romana 10 >