< Apokalypsy 9 >

1 Ary ny anjely fahadimy nitsoka, dia hitako fa, indro, nisy kintana anankiray avy tany an-danitra latsaka tamin’ ny tany; ary nomena ilay anjely ny fanalahidin’ ny lavaka tsy hita noanoa. (Abyssos g12)
Kisha malaika wa tano akapiga tarumbeta yake. Nami nikaona nyota iliyokuwa imeanguka juu ya nchi kutoka mbinguni. Nayo ikapewa ufunguo wa shimo la Kuzimu. (Abyssos g12)
2 Ary nanokatra ny lavaka tsy hita noanoa izy, dia nisy setroka niakatra ary tamin’ ny lavaka, tahaka ny setroka ary amin’ ny lafaoro lehibe, ary tonga maizina ny masoandro sy ny habahabaka noho ny setroka avy tao amin’ ny lavaka. (Abyssos g12)
Basi, nyota hiyo ikafungua shimo la Kuzimu, kukatoka moshi wa tanuru kubwa. Jua na anga vikatiwa giza kwa moshi huo wa Kuzimu. (Abyssos g12)
3 Ary nisy valala nivoaka avy tamin’ ny setroka nankamin’ ny tany; ary nomena hery ireny, tahaka ny herin’ ny maingoka amin’ ny tany.
Nzige wakatoka katika moshi huo, wakaingia duniani wakapewa nguvu kama ya ng'e.
4 Ary nilazana izy mba tsy hanimba ny ahitra amin’ ny tany, na ny zava-maitso, na ny hazo akory aza, fa ny olona izay tsy manana ny tombo-kasen’ Andriamanitra eo amin’ ny handriny ihany.
Wakaamrishwa wasiharibu nyasi za nchi wala majani wala miti yoyote, bali wawaharibu wale tu ambao hawakupigwa mhuri wa Mungu katika paji la uso.
5 Nefa tsy navela hahafaty ary izy, fa ny hampanaintaina ary dimy volana; ary ny fampanaintainany dia tahaka ny fampanaintainan’ ny maingoka, raha mamely olona.
Nzige hao hawakuruhusiwa kuwaua watu, ila kuwatesa tu kwa muda wa miezi mitano. Maumivu watakayosababisha ni kama maumivu yanayompata mtu wakati anapoumwa na ng'e.
6 Ary amin’ izany andro izany dia hitady fahafatesana ny olona, fa tsy hahita; ary haniry ho faty izy, fa mandositra ary ny fahafatesana.
Muda huo watu watatafuta kifo lakini hawatakipata; watatamani kufa lakini kifo kitawakimbia.
7 Ary ny endriky ny valala dia tahaka ny soavaly voaomana ho enti-miady; ary tamin’ ny lohany nisy satro-boninahitra toy ny volamena, ary ny tavany tahaka ny tavan’ olona.
Kwa kuonekana, nzige hao walikuwa kama farasi waliowekwa tayari kwa vita. Juu ya vichwa vyao walikuwa na taji zilizo kama za dhahabu, na nyuso zao zilikuwa kama za binadamu.
8 Ary nanam-bolo tahaka ny volom-behivavy izy, ary ny nifiny tahaka ny an’ ny liona.
Nywele zao zilikuwa kama nywele za wanawake, na meno yao yalikuwa kama meno ya simba.
9 Ary nanam-piarovan-tratra tahaka ny fiarovan-tratra vy izy; ary ny fikopakopaky ny elany dia tahaka ny fikotrokotroky ny kalesy entin’ ny soavaly betsaka miriotra ho amin’ ny ady.
Vifua vyao vilikuwa vimefunikwa kitu kama ngao ya chuma. Sauti ya mabawa yao ilikuwa kama sauti ya msafara wa magari ya farasi wengi wanaokimbilia vitani.
10 Ary manan-drambo tahaka ny maingoka izy sady misy fanindronana; ary amin’ ny rambony no misy ny heriny hampahoriany ny olona dimy volana.
Walikuwa na mikia na miiba kama ng'e, na kwa mikia hiyo, walikuwa na nguvu ya kuwadhuru watu kwa muda wa miezi mitano.
11 Ary manana ny anjelin’ ny lavaka tsy hita noanoa ho mpanjakany izy; ny anarany amin’ ny teny Hebreo dia Abadona, fa amin’ ny teny Grika kosa dia Apolyona no anarany. (Abyssos g12)
Tena wanaye mfalme anayewatawala, naye ndiye malaika wa kuzimu; jina lake kwa Kiebrania ni Abadoni, na kwa Kigiriki ni Apolioni, yaani mwangamizi. (Abyssos g12)
12 Lasa ny loza anankiray; indreo, ho avy ny loza roa hafa koa, rehefa afaka izao.
Maafa ya kwanza yamepita; bado mengine mawili yanafuata.
13 Ary ny anjely fahenina nitsoka, dia nahare feo ary tamin’ ny tandroky ny alitara volamena eo anatrehan’ Andriamanitra aho,
Kisha malaika wa sita akapiga tarumbeta yake. Nami nikasikia sauti moja kutoka katika pembe nne za madhabahu ya dhahabu iliyokuwa mbele ya Mungu.
14 nanao tamin’ ny anjely fahenina, izay nanana ny trompetra, hoe: Vahao ny anjely efatra izay mifatotra any Eofrata, ony lehibe.
Sauti hiyo ikamwambia huyo malaika wa sita mwenye tarumbeta, “Wafungulie malaika wanne waliofungwa kwenye mto mkubwa Eufrate!”
15 Dia novahana ny anjely efatra izay voaomana ho amin’ ny ora sy ny andro sy ny volana ary ny taona mba hahafaty ny ampahatelon’ ny olona.
Naye akawafungulia malaika hao wanne ambao walikuwa wametayarishwa kwa ajili ya saa hiyo ya siku ya mwezi huo, wa mwaka huohuo, kuua theluthi moja ya wanaadamu.
16 Ary ny isan’ ny miaramila an-tsoavaly dia roa alinalina; nahare ny isany aho.
Nilisikia idadi ya majeshi wapanda farasi ilikuwa milioni mia mbili.
17 Ary toy izao no nahitako ny soavaly teo amin’ ny fahitana sy izay nitaingina azy: manana-piarovan-tratra tahaka ny afo sy ny setroka ary ny solifara izy; ary ny lohan’ ny soavaly dia tahaka ny lohan’ ny liona; ary misy afo sy setroka ary solifara mivoaka ary amin’ ny vavany.
Hivi ndivyo nilivyowaona hao farasi na wapanda farasi katika hiyo njozi: Walikuwa na ngao vifuani zilizokuwa moto mtupu, zenye rangi ya samawati na njano kama kiberiti. Vichwa vya hao farasi vilikuwa kama vya simba; na moto, moshi, na kiberiti vilikuwa vinatoka kinywani mwao.
18 Ireo loza telo loha ireo, dia ny afo sy ny setroka ary ny solifara izay nivoaka ary tamin’ ny vavany, no nahafaty ny ampahatelon’ ny olona.
Theluthi moja ya wanaadamu waliuawa kwa mabaa hayo matatu yaani, moto, moshi na kiberiti, yaliyokuwa yanatoka katika vinywa vyao;
19 Fa ny herin’ ny soavaly dia eo amin’ ny vavany sy ny rambony; fa ny rambony dia tahaka ny menarana sady manan-doha, ka ireny no entiny mampahory.
maana nguvu ya farasi hao ilikuwa vinywani mwao na katika mikia yao. Mikia yao ilikuwa na vichwa kama nyoka, na waliitumia hiyo kuwadhuru watu.
20 Nefa ny olona sisa, izay tsy matin’ ireo loza ireo, dia tsy nibebaka hiala tamin’ ny asan’ ny tànany, mba tsy hivavaka amin’ ny demonia sy ny sampy volamena sy volafotsy sy varahina sy vato ary hazo, izay tsy mahajery, na mahare, na afa-mamindra;
Wanaadamu wengine waliobaki ambao hawakuuawa na mabaa hayo, hawakugeuka na kuviacha vitu walivyokuwa wametengeneza kwa mikono yao wenyewe; bali wakaendelea kuabudu pepo, sanamu za dhahabu, fedha, shaba, mawe na miti, vitu ambavyo haviwezi kuona, kusikia wala kutembea.
21 ary tsy nibebaka tamin’ ny namonoany olona izy, na tamin’ ny nanaovany ody ratsy, na tamin’ ny fijangajangany, na tamin’ ny halatra nataony koa.
Wala hawakutubu na kuacha kufanya mauaji, uchawi, uzinzi, na wizi.

< Apokalypsy 9 >