< Apokalypsy 5 >

1 Ary hitako fa, indro, nisy boky voasoratra tao anatiny sy teo ivohony, voapetaka mafy tamin’ ny tombo-kase fito, teo an-tanana ankavanan’ ilay nipetraka teo ambonin’ ny seza fiandrianana.
І бачив я в правицї Сидячого на престолї книгу записану із середини і зверху, запечатану семи печатьми.
2 Ary hitako fa, indro, nisy anjely mahery niantso tamin’ ny feo mafy hoe: Iza no miendrika hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny?
І бачив я ангела сильного, покликуючого голосом великим: Хто достоєн розгорнути книгу, і розломити печаті її?
3 Ary tsy nisy tany an-danitra, na tetỳ an-tany, na tany ambanin’ ny tany, nahasokatra ny boky na nahajery azy.
І нїхто не міг па небі, анї на землі, анї під землею, розгорнути книгу, анї заглянути до неї.
4 Ary nitomany mafy aho, satria tsy nisy hita miendrika hanokatra ny boky na hijery azy.
І я вельми плакав, що нїхто достойний не знайшов ся, щоб розгорнути і прочитати книгу, анї заглянути до неї.
5 Ary ny anankiray tamin’ ny loholona nanao tamiko hoe: Aza mitomany; indro, ny Liona avy amin’ ny firenen’ i Joda, dia ny Solofon’ i Davida, no efa naharesy ka hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny fito.
І один із старцїв каже менї: Не плач; ось, побідив лев, що з роду Юдиного, корінь Давидів, щоб розгорнути книгу, і розломити сїм печатїй її.
6 Ary hitako fa, indro, teo afovoan’ ny seza fiandrianana sy ny zava-manan’ aina efatra ary teo afovoan’ ny loholona dia nisy Zanak’ ondry nitsangana tahaka ny efa voavono, nanan-tandroka fito sy maso fito, dia ny Fanahy fiton’ Andriamanitra nirahina hankany amin’ ny tany rehetra.
І поглянув я, і ось, по серединї між престолом і чотирма животними, і по серединї старцїв, стоїть Ягнятко, наче заколене, і мало сїм рогів, і сїм очей, а се сїм духів Божих, що послані по цілій землї.
7 Ary tonga Izy ka nandray ny boky teo an-tanana ankavanan’ ilay nipetraka teo ambonin’ ny seza fiandrianana.
І прийшов, і взяв книгу з правицї Сидячого на престолї.
8 Ary rehefa nandray ny boky Izy, ny zava-manana-aina efatra sy ny loholona efatra amby roa-polo dia niankohoka teo anatrehan’ ny Zanak’ ondry, sady samy nanana lokanga sy lovia volamena feno ditin-kazo manitra izy, dia vavaka ataon’ ny olona masìna izany.
І коли взяв книгу, то чотири животні і двайцять чотири старці впали перед Агнцем, маючи кожний кобзу і чашу золоту, повну пахощів, що були молитви сьвятих.
9 Ary nihira fihiram-baovao izy ka nanao hoe: Hianao no miendrika haka ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny; Fa voavono Hianao, Ary ny rànao no nanavotanao ho an’ Andriamanitra olona avy tamin’ ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny sy ny olona ary ny firenena rehetra;
І сьпівають пісню нову, глаголючи: Достоєн єси приняти книгу, і створити печаті її, бо Ти був заколений, і відкупив єси нас Богу кровю своєю, з усякого роду, і язика, і народу і поган,
10 Ary efa nataonao fanjakana sy mpisorona ho an’ Andriamanitsika ireo; Ary manjaka ambonin’ ny tany izy.
і зробив єси нас Богу нашому царями і священиками; і царювати мем на землї.
11 Ary nahita aho sady nandre feon’ anjely maro manodidina ny seza fiandrianana sy ny zava-manan’ aina ary ny loholona, ary ny Isany dia alinalina sy arivoarivo,
І я бачив і чув голос ангелів многих кругом престола і животних, і старців; і було число їх тьма тьмами і тисячі тисячами,
12 nanao tamin’ ny feo mahery hoe: Ny Zanak’ ondry, Izay novonoina, dia miendrika handray hery sy harena sy fahendrena sy faherezana sy haja sy voninahitra ary saotra.
глаголючи голосом великим: Достоєн Агнець, заколений, приняти силу й багацтво, й премудрость, і кріпость, і честь і славу.
13 Ary izao zavatra ary rehetra izao, na izay any an-danitra, na izay etỳ ambonin’ ny tany sy any ambanin’ ny tany, na izay any an-dranomasina mbamin’ izay rehetra ao anatiny, dia reko samy nanao hoe: Ho an’ ilay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianana sy ho an’ ny Zanak’ ondry anie ny saotra sy ny haja sy ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. (aiōn g165)
І всяке створіннє, що в небі, і на землі, і під землею, і що на морю, і все, що в них, чув я, що говорило: Сидячому на престолі і Агнцеві благословеннє, і честь, і слава і держава по вічні віки. (aiōn g165)
14 Ary ny zava-manan’ aina efatra nanao hoe: Amena. Ary ny loholona dia niankohoka ka nivavaka.
А четверо животних сказали: Амінь, а двайцять чотири старцї упали, і поклонились Живучому по вічні віки.

< Apokalypsy 5 >