< Apokalypsy 21 >

1 Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony.
I saw a new heaven and a new earth: for the first heaven and the first earth have passed away, and the sea is no more.
2 Ary nahita aho fa, indro, ny tanàna masìna, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin’ Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin’ ny vadiny.
I saw the holy city, New Jerusalem, coming down out of heaven from God, made ready like a bride adorned for her husband.
3 Ary nahare feo mahery avy teo amin’ ny seza fiandrianana aho nanao hoe: Indro, ny tabernakelin’ Andriamanitra dia eo amin’ ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny.
I heard a loud voice from the throne saying, "Look, the tabernacle of God is with humans, and he will dwell with them, and they will be his people, and God himself will be with them and be their God.
4 Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.
And he will wipe away every tear from their eyes, and death will be no more, nor will there be mourning, nor crying, nor pain anymore, for the first things have passed away."
5 Ary hoy Ilay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianana: Indro, havaoziko ny zavatra rehetra. Ary hoy koa Izy: Soraty; fa mahatoky sy marina ireo teny ireo.
He who sits on the throne said, "Look, I am making all things new." He said, "Write, for these words are faithful and true."
6 Ary hoy koa Izy tamiko: Tanteraka ireo. Izaho no Alfa sy Omega, ny fiandohana sy ny fiafarana. Izaho hanome maimaimpoana amin’ ny loharanon’ ny ranon’ aina ho an’ izay mangetaheta.
He said to me, "It is done. I am the Alpha and the Omega, the Beginning and the End. I will give freely to him who is thirsty from the spring of the water of life.
7 Izay maharesy no handova izany zavatra izany; ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho zanako.
He who overcomes, I will give him these things. I will be his God, and he will be my son.
8 Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin’ ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa. (Limnē Pyr g3041 g4442)
But for the cowardly, unbelieving, abominable, murderers, sexually immoral, sorcerers, idolaters, and all liars, their part is in the lake that burns with fire and sulfur, which is the second death." (Limnē Pyr g3041 g4442)
9 Ary tonga ny anankiray tamin’ ny anjely fito izay nanana ny lovia fito, dia ireo nitondra ny loza fito farany ka nanao tamiko hoe: Avia etỳ, dia hasehoko anao ny ampakarina, vadin’ ny Zanak’ ondry.
One of the seven angels who had the seven bowls, full of the seven last plagues came, and he spoke with me, saying, "Come here. I will show you the bride, the wife of the Lamb."
10 Ary nitondra ahy tamin’ ny Fanahy ho any an-tendrombohitra sady lehibe no avo izy ka naneho ahy ny tanàna masìna, dia Jerosalema, midìna avy tamin’ Andriamanitra any an-danitra,
He carried me away in the Ruach to a great and high mountain, and showed me the holy city, Jerusalem, coming down out of heaven from God,
11 sady manana ny voninahitr’ Andriamanitra izy; ny famirapirany dia tahaka ny vato soa indrindra, dia tahaka ny vato jaspy, manganohano toy ny vato krystaly;
having the glory of God. Her light was like a most precious stone, as if it was a jasper stone, clear as crystal;
12 ary manana mànda lehibe sady avo sy vavahady roa ambin’ ny folo izy, ary eo amin’ ny vavahady dia misy anjely roa ambin’ ny folo, ary misy anarana voasoratra eo, dia ny an’ ny firenena roa ambin’ ny folo amin’ ny Zanak’ isiraely;
having a great and high wall; having twelve gates, and at the gates twelve angels; and names written on them, which are the names of the twelve tribes of the children of Israel.
13 eo atsinanana vavahady telo; eo avaratra vavahady telo; eo atsimo vavahady telo; eo andrefana vavahady telo.
On the east were three gates; and on the north three gates; and on the south three gates; and on the west three gates.
14 Ary ny màndan’ ny tanàna dia misy fanorenana roa ambin’ ny folo, ary misy anarana roa ambin’ ny folo koa eo, dia ny an ny Apostoly roa ambin’ ny folon’ ny Zanak’ ondry.
The wall of the city had twelve foundations, and on them twelve names of the twelve emissaries of the Lamb.
15 Ary ilay niteny tamiko dia nanana fandrefesana volotara volamena handrefesany ny tanàna sy ny vavahadiny ary ny màndany.
He who spoke with me had for a measure, a golden reed, to measure the city, its gates, and its wall.
16 Ary ny tanàna dia efa-joro, ka mitovy ny lavany sy ny sakany; ary nandrefy ny tanàna tamin’ ny volotara izy, ka roa arivo sy iray alina stadio. Mitovy ny lavany sy ny sakany ary ny hahavony.
The city lies foursquare, and its length is as great as its breadth. He measured the city with the reed, one thousand three hundred eighty miles. Its length, breadth, and height are equal.
17 Ary nandrefy ny màndany izy, ka efatra amby efa-polo amby zato hakiho, araka ny refin’ ny olona, dia ny an’ ny anjely.
Its wall is one hundred forty-four cubits, by human measurement, that is, of an angel.
18 Ary ny màndany dia vato jaspy; ary ny tanàna dia tena volamena, toy ny fitaratra madio.
The construction of its wall was jasper. The city was pure gold, like pure glass.
19 Ary ny fanorenan’ ny màndan’ ny tanàna dia voaravaka vato soa samy hafa rehetra. Ny fanorenana voalohany jaspy, ny faharoa safira, ny fahatelo kalkedona, ny fahefatra emeralda,
The foundations of the city's wall were adorned with all kinds of precious stones. The first foundation was jasper; the second, sapphire; the third, chalcedony; the fourth, emerald;
20 ny fahadimy sardonyksa, ny fahenina karneola, ny fahafito krysolita, ny fahavalo beryla, ny fahasivy topaza, ny fahafolo krysopraso, ny faharaika ambin’ ny folo hyakinta, ny faharoa ambin’ ny folo ametysta.
the fifth, sardonyx; the sixth, sardius; the seventh, chrysolite; the eighth, beryl; the ninth, topaz; the tenth, chrysoprasus; the eleventh, jacinth; and the twelfth, amethyst.
21 Ary ny vavahady roa ambin’ ny folo dia perila roa ambin’ ny folo; perila iray avy ny isam-bavahady; ary ny lalambe teo an-tanàna dia tena volamena, toy ny fitaratra manganohano.
The twelve gates were twelve pearls. Each one of the gates was made of one pearl. The street of the city was pure gold, like transparent glass.
22 Ary tsy nahita tempoly teo aho; fa ny Tompo Andriamanitra, dia ny Tsitoha, sy ny Zanak’ ondry no tempoliny.
I saw no temple in it, for the Lord God the Almighty and the Lamb are its temple.
23 Ary ny tanàna tsy mba mila ny masoandro na ny volana hamirapiratra aminy; fa ny voninahitr’ Andriamanitra no nanazava ary, ary ny Zanak’ ondry no fanazavana azy.
The city has no need for the sun, neither of the moon, to shine, for the very glory of God illuminated it, and its lamp is the Lamb.
24 Ary ny firenena maro no handeha amin’ ny fahazavany; ary ny mpanjakan’ ny tany dia mitondra ny voninahiny ho ao anatiny.
The nations will walk in its light. The kings of the earth bring their splendor into it.
25 Ary ny vavahadiny tsy harindrina akory amin’ ny andro (fa tsy mba hisy alina ao).
Its gates will in no way be shut by day (for there will be no night there),
26 Ary ny voninahitra sy ny hajan’ ny firenena maro dia ho entina ao anatiny.
and they shall bring the glory and the honor of the nations into it so that they may enter.
27 Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy masìna, na izay manao vetaveta, na izay mandainga, fa izay voasoratra ao anatin’ ny bokin’ ny fiainana izay an’ ny Zanak’ ondry ihany.
There will in no way enter into it anything profane, or one who causes an abomination or a lie, but only those who are written in the Lamb's Book of Life.

< Apokalypsy 21 >