< Apokalypsy 12 >

1 Ary nisy famantarana lehibe hita tany an-danitra, dia vehivavy mitafy ny masoandro, ary ny volana no eo ambanin’ ny tongony, ary misy satro-boninahitra kintana roa ambin’ ny folo amin’ ny lohany,
Kisha ishara kubwa ikaonekana mbinguni. Palikuwa hapo mwanamke aliyevikwa jua, na mwezi chini ya miguu yake, na taji ya nyota kumi na mbili juu ya kichwa chake!
2 sady bevohoka izy; ary mihetsi-jaza izy ka mitaraina, satria marary fatratra efa hiteraka.
Alikuwa mja mzito, na akapaaza sauti kwa maumivu na uchungu wa kujifungua mtoto.
3 Ary nisy famantarana hafa koa hita tany an-danitra, ka, indro, nisy dragona mena lehibe manan-doha fito sy tandroka folo, ary misy diadema fito amin’ ny lohany.
Ishara nyingine ikatokea mbinguni: joka kubwa jekundu na lenye pembe kumi na vichwa saba; na kila kichwa kilikuwa na taji.
4 Ary ny rambony dia manala ny ampahatelon’ ny kintana amin’ ny lanitra ka manjera ireny ho amin’ ny tany; ary ny dragona nijanona teo anatrehan’ ilay vehivavy efa hiteraka mba handrapaka ny zanany, raha vao teraka;
Joka hilo liliburuta kwa mkia wake theluthi moja ya nyota za anga na kuzitupa duniani. Nalo lilisimama mbele ya huyo mama aliyekuwa karibu kujifungua mtoto, tayari kabisa kummeza mtoto, mara tu atakapozaliwa.
5 ary niteraka zazalahy izy, izay efa hanapaka ny firenena rehetra amin’ ny tehim-by; ary ny zanany novonjena faingana nakarina ho any amin’ Andriamanitra, dia ho any amin’ ny seza fiandrianany.
Kisha mama huyo akajifungua mtoto wa kiume, ambaye atayatawala mataifa yote kwa fimbo ya chuma. Lakini mtoto akanyakuliwa na kupelekwa kwa Mungu na kwenye kiti chake cha enzi.
6 Ary ravehivavy kosa nandositra nankany an-efitra, izay nisy fitoerany namboarin’ Andriamanitra, mba hovelomina any enim-polo amby roan-jato amby arivo andro izy.
Huyo mama akakimbilia jangwani, ambako Mungu alikuwa amemtayarishia mahali pa usalama ambapo angehifadhiwa kwa muda wa siku elfu moja mia mbili na sitini.
7 Ary nisy ady tany an-danitra: Mikaela sy ny anjeliny niady tamin’ ilay dragona; ary ilay dragona mbamin’ ny anjeliny kosa dia niady,
Kisha kukazuka vita mbinguni: Mikaeli na malaika wake walipigana na hilo joka, nalo likawashambulia pamoja na malaika wake.
8 nefa tsy naharesy, sady tsy nisy fitoerana ho azy intsony tany an-danitra.
Lakini joka hilo halikuweza kuwashinda, na hatimaye hapakuwa tena na nafasi mbinguni kwa ajili yake na malaika wake.
9 Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin’ ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy.
Basi, joka hilo kuu likatupwa nje. Joka hilo ndiye yule nyoka wa kale ambaye huitwa pia Ibilisi au Shetani. Ndiye anayeudanganya ulimwengu wote. Naam, alitupwa duniani, na malaika wake wote pamoja naye.
10 Dia nahare feo mahery tany an-danitra aho nanao hoe: Ankehitriny dia tonga ny famonjena sy ny hery sy ny fanjakan’ Andriamanitsika, Ary ny fahefan’ ny Kristiny, Satria nazera ilay mpiampanga ny rahalahintsika, dia ilay miampanga azy eo anatrehan’ Andriamanitsika andro aman’ alina.
Kisha nikasikia sauti kubwa kutoka mbinguni ikisema: “Sasa ukombozi utokao kwa Mungu umefika! Nguvu na Utawala wa Mungu wetu umedhihirika. Na Kristo wake ameonyesha mamlaka yake! Maana yule mdhalimu wa ndugu zetu, aliyesimama mbele ya Mungu akiwashtaki usiku na mchana, sasa ametupwa nje.
11 Ary izy ireo naharesy azy noho ny amin’ ny ran’ ny Zanak’ ondry Sy ny teny filazana Azy, Ary tsy nankamamy ny ainy intsony iry, na dia ho faty aza.
Ndugu zetu wameshinda kwa damu ya Mwanakondoo na kwa nguvu ya ukweli walioutangaza; maana hawakuyathamini maisha yao kuwa kitu sana, wakawa tayari kufa.
12 Ary noho izany mifalia, ry lanitra sy ianareo izay monina ao aminy. Loza ho an’ ny tany sy ny ranomasina! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, Satria fantany fa kely sisa ny androny.
Kwa sababu hiyo, furahini enyi mbingu na vyote vilivyomo ndani yenu. Lakini, ole wenu nchi na bahari, maana Ibilisi amewajieni akiwa na ghadhabu kuu, kwa sababu anajua kwamba siku zake zilizobakia ni chache.”
13 Ary rehefa hitan’ ilay dragona fa nazera tamin’ ny tany izy, dia nanenjika ilay vehivavy niteraka ny zazalahy izy.
Joka lilipotambua kwamba limetupwa chini duniani, likaanza kumwinda yule mama aliyekuwa amejifungua mtoto wa kiume.
14 Ary ilay vehivavy nomena ny elatra roa an’ ny voromahery lehibe hanidinany ho any an-efitra, ho any amin’ ny fitoerany, izay itaizana azy fetr’ andro iray sy fetr’ andro roa ary antsasaky ny fetr’ andro, mba tsy ho hitan’ ilay menarana izy.
Lakini mama huyo akapewa mabawa mawili ya tai apate kuruka mbali sana na hilo joka, mpaka mahali, pake jangwani ambapo angehifadhiwa salama kwa muda wa miaka mitatu na nusu.
15 Ary ilay menarana namoaka rano tamin’ ny vavany, toy ny riaka, hanaraka an-dravehivavy, mba hindaosin’ ny riaka iry.
Basi, joka likatapika maji mengi kama mto, yakamfuata huyo mama nyuma ili yamchukue.
16 Nefa ny tany namonjy an-dravehivavy, fa nivava ny tany ka nitelina ny riaka izay navoaky ny dragona tamin’ ny vavany.
Lakini nchi ikamsaidia huyo mama: ikajifunua kama mdomo na kuyameza maji hayo yaliyotoka kinywani mwa hilo joka.
17 Dia tezitra tamin’ ilay vehivavy ny dragona ka lasa nandeha hiady tamin’ ny zanany sisa, izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra sy mitana ny filazana an’ i Jesosy. Ary nitsangana teo ambonin’ ny fasiky ny ranomasina izy.
Basi, joka hilo likamkasirikia huyo mama, likajiondokea, likaenda kupigana na wazawa wengine wa huyo mama, yaani wote wanaotii amri za Mungu na kuuzingatia ukweli wa Yesu.

< Apokalypsy 12 >