< Apokalypsy 1 >

1 Ny Fanambaran’ i Jesosy Kristy, izay nomen’ Andriamanitra Azy, mba hasehony amin’ ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana; ary naniraka ny anjeliny Izy hanambara amin’ i Jaona mpanompony,
Hizi ni habari za mambo ambayo yalifunuliwa na Yesu Kristo. Mungu alimpa Kristo ufunuo huu ili awaonyeshe watumishi wake mambo ambayo yanapaswa kutukia karibuni. Kristo alimtuma malaika wake amjulishe Yohane, mtumishi wake, mambo hayo,
2 Izay nanambara ny tenin’ Andriamanitra sy ny filazana an’ i Jesosy Kristy, dia ny zavatra rehetra izay efa hitany.
naye Yohane, ameyasema yote aliyoyaona. Na hii ndio taarifa yake kuhusu ujumbe wa Mungu na ukweli uliofunuliwa na Yesu Kristo.
3 Sambatra izay manaiky sy ny mihaino ny tenin’ ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny andro.
Heri yake mtu anayesoma kitabu hiki; heri yao wale wanaosikiliza maneno ya ujumbe huu wa kinabii na kushika yaliyoandikwa humu, maana wakati umekaribia ambapo mambo haya yatatukia.
4 Jaona mamangy ny fiangonana fito any Asia: Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy; ary avy amin’ ny Fanahy fito izay eo anoloan’ ny seza fiandrianany;
Mimi Yohane nayaandikia makanisa yaliyoko mkoani Asia. Nawatakieni neema na amani kutoka kwake yeye aliyeko, aliyekuwako na anayekuja; na kutoka kwa roho saba walio mbele ya kiti chake cha enzi,
5 ary avy amin’ i Jesosy Kristy, Vavolombelona marina sy Lahimatoa amin’ ny maty ary Lehiben’ ny mpanjaka amin’ ny tany. Ho an’ izay tia antsika ka namaha antsika ho afaka amin’ ny fahotantsika tamin’ ny ràny,
na kutoka kwa Yesu Kristo, shahidi mwaminifu, wa kwanza kufufuliwa kutoka wafu, na ambaye ni mtawala wa wafalme wa dunia. Yeye anatupenda, na kwa damu yake ametufungua kutoka vifungo vya dhambi zetu,
6 sady efa nanao antsika ho fanjakana, dia mpisorona ho an’ Andriamanitra Ray, ― ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena. (aiōn g165)
akatufanya sisi kuwa ufalme wa makuhani, tumtumikie Mungu, Baba yake. Kwake Yesu Kristo uwe utukufu na nguvu, milele na milele! Amina. (aiōn g165)
7 Indro Izy avy amin’ ny rahona; ary ny maso rehetra hahita Azy, na dia izay nandefona Azy aza; ary hitomany Azy ny firenena rehetra ambonin’ ny tany. Eny, Amena.
Tazama! Anakuja katika mawingu! Kila mtu atamwona, hata wale waliomchoma. Makabila yote duniani yataomboleza juu yake. Naam! Amina.
8 Izaho no Alfa sy Omega, hoy ny Tompo Andriamanitra, Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, dia ny Tsitoha.
“Mimi ni Alfa na Omega,” asema Bwana Mungu Mwenye Uwezo, aliyeko, aliyekuwako na anayekuja.
9 Izaho Jaona, rahalahinareo sy namanareo amin’ ny fahoriana ary amin’ ny fanjakana sy ny faharetana ao amin’ i Jesosy, dia tao amin’ ny nosy atao hoe Patmo noho ny tenin’ Andriamanitra sy ny filazana an’ i Jesosy.
Mimi ni Yohane, ndugu yenu; na kwa kuungana na Kristo nashiriki pamoja nanyi katika kustahimili mateso yanayowapata wale walio wa Utawala wake. Mimi nilikuwa kisiwani Patmo kwa sababu ya kuhubiri ujumbe wa Mungu na ukweli wa Yesu.
10 Voatsindrin’ ny Fanahy tamin’ ny Andron’ ny Tompo aho ka nahare feo mahery teo ivohoko, toy ny feon’ ny trompetra,
Basi, wakati mmoja, siku ya Bwana, nilikumbwa na Roho, nikasikia nyuma yangu sauti kubwa kama sauti ya tarumbeta.
11 nanao hoe: Izay zavatra hitanao dia soraty eo amin’ ny boky, ka ampitondray ho any amin’ ny fiangonana fito, dia ho any Efesosy sy Smyrna sy Pergamosy sy Tyatira sy Sardisy sy Filadelfia ary Laodikia.
Nayo ilisema, “Andika katika kitabu yote unayoyaona, ukipeleke kwa makanisa haya saba: Efeso, Smurna, Pergamoni, Thuatira, Sarde, Filadelfia na Laodikea.”
12 Dia nitodika aho nizaha ilay feo niteny tamiko. Koa rehefa nitodika aho, dia nahita fanaovan-jiro volamena fito;
Basi, nikageuka nimwone huyo aliyesema nami, nikaona vinara vya taa saba vya dhahabu,
13 ary teo afovoan’ ny fanaovan-jiro dia nisy Anankiray tahaka ny Zanak’ olona niakanjo akanjo lava hatrany an-tongony sady nisikina fisikinam-bolamena teo amin’ ny tratrany.
na katikati yake kulikuwa na kitu kama mtu, naye alikuwa amevaa kanzu ndefu na ukanda wa dhahabu kifuani.
14 Ary ny lohany sy ny volony dia fotsy tahaka ny volon’ ondry fotsy, dia tahaka ny oram-panala, ary ny masony tahaka ny lelafo;
Nywele zake zilikuwa nyeupe kama pamba safi, kama theluji; macho yake yalimetameta kama moto;
15 ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano, hoatra ilay voadio teo amin’ ny fandrendrehana iny; ary ny feony toy ny firohondrohon’ ny rano be.
miguu yake iling'aa kama shaba iliyosafishwa katika tanuru ya moto na kusuguliwa, na sauti yake ilikuwa, kama sauti ya poromoko la maji.
16 Ary nitana kintana fito teny an-tànany ankavanana Izy; ary nisy sabatra maranitra roa lela nivoaka avy teo am-bavany; ary ny tarehiny dia tahaka ny masoandro mamirapiratra amin’ ny heriny.
Katika mkono wake wa kulia, alikuwa na nyota saba, na kinywani mwake mlitoka upanga wenye makali kuwili. Uso wake uling'aa kama jua kali.
17 Ary raha nahita Azy aho, dia lavo niankohoka tahaka ny maty teo anoloan’ ny tongony. Fa Izy nanendry ahy tamin’ ny tànany ankavanana ka nanao hoe: Aza matahotra; Izaho no Voalohany sy Farany,
Basi, nilipomwona tu, nilianguka mbele ya miguu yake kama maiti. Lakini yeye akaweka mkono wake wa kulia juu yangu, akasema, “Usiogope! Mimi ni wa kwanza na wa mwisho.
18 dia Ilay velona; efa maty Aho, nefa, indro, velona mandrakizay mandrakizay sady manana ny fanalahidin’ ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita. (aiōn g165, Hadēs g86)
Mimi ni yeye aliye hai! Nilikuwa nimekufa, lakini, tazama, sasa ni mzima milele na milele. Ninazo funguo za kifo na Kuzimu. (aiōn g165, Hadēs g86)
19 Koa soraty izay zavatra efa hitanao, na izay zavatra ankehitriny, na izay zavatra mbola ho avy rahatrizay,
Basi, sasa andika mambo haya unayoyaona, mambo yanayotukia sasa na yale yatakayotukia baadaye.
20 dia ny zava-miafina ny amin’ ny kintana fito izay efa hitanao teny an-tanako ankavanana sy ny fanaovan-jiro volamena fito. Ny kintana fito dia ny anjelin’ ny fiangonana fito: ary ny fanaovan-jiro fito dia fiangonana fito.
Siri ya nyota zile saba ulizoziona katika mkono wangu wa kulia, na siri ya vile vinara saba vya taa hii: zile nyota saba ni malaika wa makanisa; na vile vinara saba vya taa ni makanisa saba.

< Apokalypsy 1 >