< Salamo 98 >

1 Fihirana. 2 Jehovah efa nampahafantatra ny famonjeny; Teo imason’ ny jentilisa no nanehoany ny fahamarinany. 3 Efa nahatsiaro ny famindram-pony sy ny fahamarinany tamin’ ny taranak’ i Isiraely Izy; Efa nahita ny famonjen’ Andriamanitsika ny vazan-tany rehetra. 4 Mihobia ho an’ i Jehovah, ry tany rehetra, Velomy ny hoby, ka mihirà. 5 Mankalazà an’ i Jehovah amin’ ny lokanga, Dia amin’ ny lokanga sy ny feo fihirana, 6 Amin’ ny trompetra sy ny fitsofana ny anjomara, Ka mihobia eo anatrehan’ i Jehovah Mpanjaka. 7 Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy, Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy. 8 Aoka hiteha-tanana ny riaka; Aoka hiara-mihoby aminy koa ny tendrombohitra 9 Eo anatrehan’ i Jehovah, fa avy hitsara ny tany Izy; Hitsara izao rehetra izao amin’ ny fahamarinana Izy Ary ny firenena amin’ ny fahitsiana.

< Salamo 98 >