< Salamo 96 >

1 Mihira fihiram-baovao ho an’ i Jehovah; Mihirà ho an’ i Jehovah ry tany rehetra.
Oh sing unto Jehovah a new song: Sing unto Jehovah, all the earth.
2 Mihirà ho an’ i Jehovah, misaora ny anarany; Lazao isan’ andro isan’ andro ny famonjeny mahafaly.
Sing unto Jehovah, bless his name; Show forth his salvation from day to day.
3 Ambarao any amin’ ny jentilisa ny voninahiny Ary any amin’ ny firenena rehetra ny fahagagana ataony.
Declare his glory among the nations, His marvellous works among all the peoples.
4 Fa lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, Sady mahatahotra, fa ambonin’ ny Andriamanitra rehetra.
For great is Jehovah, and greatly to be praised: He is to be feared above all gods.
5 Fa ny andriamanitry ny firenena dia tsinontsinona; Fa Jehovah no nanao ny lanitra.
For all the gods of the peoples are idols; But Jehovah made the heavens.
6 Famirapiratana sy voninahitra no eo anatrehany; Hery sy fahatsaran-tarehy no ao amin’ ny fitoerany masìna.
Honor and majesty are before him: Strength and beauty are in his sanctuary.
7 Ry firenena, manomeza an’ i Jehovah, Eny, manomeza voninahitra sy hery ho an i Jehovah.
Ascribe unto Jehovah, ye kindreds of the peoples, Ascribe unto Jehovah glory and strength.
8 Manomeza an’ i Jehovah ny voninahitry ny anarany; Mitondrà fanatitra, ka mankanesa eo an-kianjany.
Ascribe unto Jehovah the glory due unto his name: Bring an offering, and come into his courts.
9 Miankohofa eo anatrehan’ i Jehovah amin’ ny fihaingoana masìna; Mangovita eo anatrehany, ry tany rehetra.
Oh worship Jehovah in holy array: Tremble before him, all the earth.
10 Lazao any amin’ ny jentilisa fa Jehovah no Mpanjaka; Ary izao rehetra izao voaorina ka tsy hihetsika; Hitsara ny olona amin’ ny fahamarinana Izy.
Say among the nations, Jehovah reigneth: The world also is established that it cannot be moved: He will judge the peoples with equity.
11 Aoka ho faly ny lanitra ary ho ravoravo ny tany; Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy.
Let the heavens be glad, and let the earth rejoice; Let the sea roar, and the fulness thereof;
12 Aoka ho faly ny saha sy izay rehetra eo aminy; Dia hihoby amin’ izay ny hazo rehetra any an’ ala
Let the field exult, and all that is therein; Then shall all the trees of the wood sing for joy
13 Eo anatrehan’ i Jehovah, fa avy Izy, Eny, avy hitsara ny tany Izy; Hitsara izao tontolo izao araka ny rariny Izy Ary ny firenena amin’ ny fahamarinany.
Before Jehovah; for he cometh, For he cometh to judge the earth: He will judge the world with righteousness, And the peoples with his truth.

< Salamo 96 >