< Salamo 95 >

1 Avia, aoka isika hihoby ho an’ i Jehovah; Aoka isika hanao feo fifaliana ho an’ ny Vatolampy famonjena antsika.
KOMAIL kodo, pwe kitail pan kapina Ieowa o nijinij on paip en maur atail.
2 Aoka hankeo anatrehany amin’ ny fiderana isika; Aoka hanao feo fifaliana ho Azy amin’ ny fihirana isika.
Kitail pan kola tuki on i kapin. Kitail en nijinijki on I pjalm!
3 Fa Andriamanitra lehibe Jehovah, Ary Mpanjaka lehibe ambonin’ ny andriamanitra rehetra Izy.
Pwe Ieowa Kot lapalap amen, o Nanmarki lapalap amen pon anin kot akan karoj.
4 Eo an-tànany ny fitoerana lalina amin’ ny tany; Ary Azy ny tendrombohitra avo.
Pan jappa mi ni lim a, o pon komon nana me japwilim a.
5 Azy ny ranomasina, fa Izy no nanao azy, Ary ny tany maina dia noforonin’ ny tànany.
Madau me japwilim a, pwe i me kotin wiadar, o lim a kan wiadar waja madekon.
6 Avia, ka aoka hiondrika sy hiankohoka isika; Aoka isika handohalika eo anatrehan’ i Jehovah, Mpanao antsika;
Komail kodo, kitail pan kaudok, o dairukedi, o kelepuki mon Ieowa, me kotin wia kitail dar.
7 Fa Izy no Andriamanitsika; Ary olona fiandriny sy ondry tandremany isika. Enga anie ka hohenoinareo anio ny feony manao hoe:
Pwe i atail Kot, a kitail aramaj en japwilim a wajan kamana o pwin en lim a. Ran wet, ma komail pan ron kapitie,
8 Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tao Meriba, Sy tahaka ny tamin’ ny andro tao Masa fony tany an-efitra,
Komail der kapitakaila monion omail, duen a wiauier Meripa o ni ran en Maja nan jap tan.
9 Izay nakan’ ny razanareo fanahy Ahy, Sy nizahany toetra Ahy, na dia efa hitany aza ny asako.
Ni jam omail akan jonejon ia o kajau ia da, pwe re kilaner ai dodok kan.
10 Efa-polo taona no nahamonamonaina Ahy tamin’ izany taranaka izany, Ka hoy Izaho: Olona maniasia amin’ ny fony izy Ka tsy mahalala ny lalako;
Par paeijok I juede kilar di wet, o I indada: Monion en jon en aramaj duen met kin wukiwuk jili, o re jota men aja duen al ai kan.
11 Ka dia nianiana tamin’ ny fahatezerako Aho hoe: Tsy hiditra amin’ ny fitsaharako mihitsy izy.
I ap kaula ni ai makar: Irail jota pan konodi ai kamol.

< Salamo 95 >