< Salamo 95 >

1 Avia, aoka isika hihoby ho an’ i Jehovah; Aoka isika hanao feo fifaliana ho an’ ny Vatolampy famonjena antsika.
Come, let us make a joyful noise to Yahweh, Let us shout in triumph, to the rock of our salvation!
2 Aoka hankeo anatrehany amin’ ny fiderana isika; Aoka hanao feo fifaliana ho Azy amin’ ny fihirana isika.
O let us come before his face with thanksgiving, With the sounds of strings, let us shout aloud to him.
3 Fa Andriamanitra lehibe Jehovah, Ary Mpanjaka lehibe ambonin’ ny andriamanitra rehetra Izy.
For, a great GOD, is Yahweh, And a great king, above all gods.
4 Eo an-tànany ny fitoerana lalina amin’ ny tany; Ary Azy ny tendrombohitra avo.
In whose hand, are the hidden recesses of the earth, And, the peaks of the mountains, are his;
5 Azy ny ranomasina, fa Izy no nanao azy, Ary ny tany maina dia noforonin’ ny tànany.
Whose, is the sea, for, he, made it, And, the dry land, his hands, did form.
6 Avia, ka aoka hiondrika sy hiankohoka isika; Aoka isika handohalika eo anatrehan’ i Jehovah, Mpanao antsika;
Enter! let us bow down, and bend low, Let us kneel, before Yahweh our maker;
7 Fa Izy no Andriamanitsika; Ary olona fiandriny sy ondry tandremany isika. Enga anie ka hohenoinareo anio ny feony manao hoe:
For, he, is our God, And, we, are the people of his pasture, and the flock of his hand? To-day, if, to his voice, ye will hearken,
8 Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tao Meriba, Sy tahaka ny tamin’ ny andro tao Masa fony tany an-efitra,
Do not harden your heart as at Meribah, As on the day of Massah, in the desert;
9 Izay nakan’ ny razanareo fanahy Ahy, Sy nizahany toetra Ahy, na dia efa hitany aza ny asako.
When your fathers, tested me, They proved me, yea they also saw what I could do.
10 Efa-polo taona no nahamonamonaina Ahy tamin’ izany taranaka izany, Ka hoy Izaho: Olona maniasia amin’ ny fony izy Ka tsy mahalala ny lalako;
Forty years, loathed I that generation, So I said—A people going astray in heart, they are, Even they, have not known my ways!
11 Ka dia nianiana tamin’ ny fahatezerako Aho hoe: Tsy hiditra amin’ ny fitsaharako mihitsy izy.
And I sware in mine anger, —Verily they shall not enter into my rest.

< Salamo 95 >