< Salamo 94 >

1 Jehovah, Andriamanitra Mpamaly ny natao, ô, Andriamanitra, Mpamaly ny natao, ô, mamirapirata.
LORD, you God to whom vengeance belongs, you God to whom vengeance belongs, shine forth.
2 Misandrata, ry Mpitsara ny tany, ô; Mamalia ny mpiavonavona.
Rise up, you judge of the earth. Pay back the proud what they deserve.
3 Mandra-pahoviana re ny ratsy fanahy, Jehovah ô, Mandra-pahoviana re no mbola hifalifaly ny ratsy fanahy?
LORD, how long will the wicked, how long will the wicked triumph?
4 Mirezadrezatra sy miteny sahisahy izy; Mirehareha ny mpanao ratsy rehetra.
They pour out arrogant words. All the evildoers boast.
5 Ny olonao, Jehovah ô, torotoroiny, Ary ny lovanao ampahoriny;
They break your people in pieces, LORD, and afflict your heritage.
6 Ny mpitondratena sy ny vahiny vonoiny, Ary ny kamboty dia matiny
They kill the widow and the alien, and murder the fatherless.
7 Fa hoy izy: Tsy mijery Jehovah, Ary tsy mandinika Andriamanitr’ i Jakoba.
They say, "The LORD will not see, neither will Jacob's God consider."
8 Mahalalà ianareo olona ketrina; Ary ianareo adala, rahoviana re no mba ho hendry ianareo?
Consider, you senseless among the people; you fools, when will you be wise?
9 Ny Mpanao ny sofina va tsy handre? Ny Mpamorona ny maso va tsy hahita?
He who implanted the ear, won't he hear? He who formed the eye, won't he see?
10 Ny Mpampianatra ny jentilisa va tsy hananatra, Dia Izay mampianatra fahalalana ny olona?
He who disciplines the nations, won't he punish? He who teaches man knows.
11 Jehovah no mahalala ny hevitry ny olona, Fa zava-poana izany.
The LORD knows the thoughts of man, that they are futile.
12 Sambatra izay olona anarinao, Jehovah ô, Sady ampianarinao avy amin’ ny lalanao,
Blessed is the man whom you discipline, LORD, and teach out of your Law;
13 Mba homenao fitsaharana amin’ ny andro fahoriana izy, Mandra-pihady lavaka ho an’ ny ratsy fanahy.
that you may give him rest from the days of adversity, until the pit is dug for the wicked.
14 Fa Jehovah tsy mba hanary ny olony, Ary ny lovany tsy hafoiny.
For the LORD won't reject his people, neither will he forsake his inheritance.
15 Fa ny fitsarana hiverina ho amin’ ny fahamarinana, Ary hanaraka izany ny mahitsy fo rehetra
For judgment will return to righteousness. All the upright in heart shall follow it.
16 Iza no hitsangana ho ahy hisakana ny mpanao ratsy? Iza no hiseho ho ahy hisakana ny mpanao meloka?
Who will rise up for me against the wicked? Who will stand up for me against the evildoers?
17 Raha tsy Jehovah no Mpamonjy ahy, Dia efa saiky nalaky nitoetra tao amin’ ny mangingina ny fanahiko.
Unless the LORD had been my help, my soul would have soon lived in silence.
18 Fony aho nanao hoe: Mangozohozo ny tongotro, Dia ny famindram-ponao, Jehovah ô, no nanohana ahy.
When I said, "My foot is slipping." Your loving kindness, LORD, held me up.
19 Raha be ny ahiahy ato anatiko Dia mampifaly ny fanahiko ny fampiononanao.
In the multitude of my thoughts within me, your comforts delight my soul.
20 Hikambana aminao va ny seza fiandrianan’ ny ratsy, Izay misaina fampahoriana manohitra ny lalàna?
Shall the throne of wickedness have fellowship with you, which brings about mischief by statute?
21 Manao andiany hamely ny fanahin’ ny marina ireo Ka manameloka ny rà marina.
They gather themselves together against the soul of the righteous, and condemn the innocent blood.
22 Fa tonga fiarovana avo ho ahy Jehovah; Ary vatolampy fialofako Andriamanitro.
But the LORD has been my high tower, my God, the rock of my refuge.
23 Dia ampanodiaviny azy ireo ny helony ka aringany noho ny faharatsiany izy; Eny, aringan’ i Jehovah Andriamanitsika izy.
He has brought on them their own iniquity, and will cut them off in their own wickedness. The LORD, our God, will cut them off.

< Salamo 94 >