< Salamo 87 >

1 Salamo nataon’ ny Koraïta. Tonon-kira. 2 Ny vavahadin’ i Ziona dia tian’ i Jehovah mihoatra noho ny fonenana rehetra izay an’ i Jakoba. 3 Zava-malaza no anambarana anao Ry tanànan’ Andriamanitra. (Sela) 4 Hanonona an-dRahaba sy Babylona Aho ho isan’ izay mahalala ahy; Indro Filistia sy Tyro mbamin’ i Etiopia, Ity no efa teraka teo. 5 Ary Ziona hilazana hoe: Ireto sy ireroa samy efa teraka teo; Ary ny Avo Indrindra no mampitoetra azy. 6 Jehovah hanisa, raha manoratra ny firenena Izy: Ity no efa teraka teo. (Sela) 7 Hoy izay mihira sy mandihy: Ny loharanoko rehetra dia ao aminao.

< Salamo 87 >