< Salamo 85 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ ny Koraïta. Jehovah ô, efa naneho fitia tamin’ ny taninao Hianao, Efa nampodinao Jakoba avy tamin’ ny fahababoany. 2 Voaisotrao ny heloky ny olonao, Voasaronao ny fahotany rehetra. (Sela) 3 Efa nampijanona ny fahatezeranao rehetra Hianao, Ary niala tamin’ ny fahatezeranao mirehitra. 4 Miverena aminay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, Ary ampitsaharo ny fahatezeranao aminay. 5 Ho tezitra aminay mandrakizay va Hianao? Hampaharetinao hahatratra ny taranaka fara mandimby va ny fahatezeranao? 6 Tsy hovelominao indray va izahay, Mba hifalian’ ny olonao aminao? 7 Asehoy anay ny famindram-ponao, Jehovah ô, Ka omeo anay ny famonjenao. 8 Hihaino izay holazain’ i Jehovah Andriamanitra aho; Fa hilaza fiadanana amin’ ny olony Izy, dia amin’ ny olony masìna; Koa aoka tsy hiverina ho ao amin’ ny fahadalana ireo. 9 Eny tokoa, akaikin’ izay matahotra Azy ny famonjeny, Mba hitoeran’ ny voninahitra eo amin’ ny tanintsika. 10 Mihaona ny famindram-po sy ny fahamarinana; Mifanoroka ny rariny sy ny fihavanana. 11 Ny fahamarinana mitsimoka amin’ ny tany; Ary ny rariny mitsinjo eny an-danitra. 12 Eny, Jehovah hanome ny tsara Ary ny tanintsika hahavoka-javatra. 13 Ny rariny no hialoha Azy, Sady hizotra hanaraka ny diany eny an-dalana.

< Salamo 85 >