< Salamo 84 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Al-hagitith. Salamo nataon’ ny Koraïta. Endrey ny hatsaran’ ny tabernakelinao, Jehovah, Tompon’ ny maro, ô! 2 Manina sady vonton’ alahelo ny kianjan’ i Jehovah ny fanahiko; ny foko sy ny nofoko mihoby an’ Andriamanitra velona. 3 Eny, ny tsikirity mahita trano, ary ny sidintsidina mahita akany ho azy hametrahany ny zanany. Dia ny alitaranao, Jehovah, Tompon’ ny maro ô, Mpanjakako sy Andriamanitro. 4 Sambatra izay mitoetra ao an-tranonao; hidera Anao mandrakariva izy. (Sela) 5 Sambatra izay olona manan-kery avy aminao; ao am-pony ny lalana; 6 Raha mandeha mamaky ny lohasaha Baka izy, Dia ataony misy loharano izany, ary ny loha-orana manarom-pitahiana azy. 7 Miampy hery eny am-pandehanana izy; samy miseho eo anatrehan’ Andriamanitra any Ziona izy rehetra. 8 Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, henoy ny fivavako; mandrenesa ry Andriamanitr’ i Jakoba ô. (Sela) 9 Andriamanitra, Ampinganay ô, tsinjovy ka jereo ny tavan’ ny voahosotrao. 10 Fa ny indray andro eo an-kianjanao dia tsara noho ny arivo; aleoko mipetraka eo amin’ ny tokonam-baravaran’ ny tranon’ Andriamanitra, toy izay mitoetra ao an-dain’ ny ratsy fanahy. 11 Fa Masoandro sy Ampinga Jehovah Andriamanitra; fahasoavana sy voninahitra no homen’ i Jehovah; tsy hiaro zava-tsoa amin’ izay mandeha amin’ ny fahitsiana izy. 12 Jehovah, Tompon’ ny maro ô, sambatra izay olona matoky Anao.

< Salamo 84 >