< Salamo 81 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Al-gitith. Nataon’ i Asafa. Mihobia ho an’ Andriamanitra herintsika; manaova feo fifaliana ho an’ Andriamanitr’ i Jakoba. 2 Asandrato ny hira, ka velezo ny ampongatapaka, ary tendreo ny lokanga mahafinaritra mbamin’ ny valiha. 3 Tsofy ny anjomara amin’ ny volana; eny, amin’ ny feno-volana, dia amin’ ny andro firavoravoantsika. 4 Fa lalàna ho an’ ny Isiraely izany, ary fitsipik’ Andriamanitr’ i Jakoba. 5 Notendreny ho vavolombelona eo amin’ i Josefa izany, raha nandeha namely ny tany Egypta Izy; nandre teny tsy fantatro aho. 6 Nampiala ny sorony tamin’ ny entana Aho; nitsahatra tsy nitondra sobiky ny tànany. 7 Fony azom-pahoriana ianao, dia niantso Ahy, ka namonjy anao Aho; namaly anao tao amin’ ny fiafenan’ ny kotrokorana Aho, ary nizaha toetra anao tao amin’ ny ranon’ i Meriba. (Sela) 8 Mihainoa, ry oloko, dia hambarako aminao; enga anie hihaino Ahy ianao, ry Isiraely. 9 Aza asiana andriamani-kafa eo aminao; ary aza mivavaka amin’ ny andriamanitry ny firenena hafa. 10 Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta; atanatanao ny vavanao, dia hofenoiko. 11 Fa tsy nihaino ny feoko ny oloko; ary ny Isiraely tsy nankato Ahy; 12 Ka dia navelako hanaraka ny ditry ny fony Izy, handehanany manaraka ny fisainan’ ny tenany. 13 Enga anie ka hihaino Ahy ny oloko, dia handeha amin’ ny lalako ny Isiraely; 14 Vetivety dia hampietry ny fahavalony Aho, ka hamerina ny tanako hamely ny rafiny; 15 Izay mankahala an’ i Jehovah dia hikoy aminy, ka dia haharitra mandrakizay ny andron’ ny oloko; 16 Ary hampihinana azy vary tsara indrindra Izy; eny, tantely avy amin’ ny vatolampy no hamokisako anao.

< Salamo 81 >