< Salamo 8 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira Al-hagitith. Salamo nataon’ i Davida. Jehovah, Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin’ ny tany rehetra! nataonao eny amin’ ny lanitra ny voninahitrao. 2 Avy amin’ ny vavan’ ny ankizy madinika sy ny minono no nanorenanao hery noho ny mpandrafy Anao, mba hampanginanao ny fahavalo sy izay ta-hamaly ratsy. 3 Raha jereko ny lanitrao, izay asan’ ny rantsan-tananao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao, 4 Inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak’ olombelona, no amangianao azy? 5 Fa efa nataonao ambany kely noho Andriamanitra izy, ary efa nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana. 6 Efa nampanjakainao amin’ ny asan’ ny tananao izy; ny zavatra rehetra dia efa nataonao eo ambanin’ ny tongony, 7 Dia ny ondry aman’ osy sy ny omby rehetra, ary ny bibidia koa, 8 Mbamin’ ny voro-manidina sy ny hazandrano any an-dranomasina, izay mandeha amin’ ny lalan-dranomasina. 9 Jehovah Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin’ ny tany rehetra!

< Salamo 8 >