< Salamo 77 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Al-jedotona. Salamo nataon’ i Asafa. Ny feoko dia mankany amin’ Andriamanitra, ka mitaraina aho; eny, ny feoko mankany amin’ Andriamanitra, ka mihaino ahy Izy.
I KIN likwirki nil ai on Kot, on Kot, me i pan likwir on, o i me kotin mani ia.
2 Tamin’ ny andro fahoriako no nitadiavako ny Tompo; ny tanako nasandratra nony alina ka tsy vizana; ny fanahiko tsy nety nampiononina.
Ni ai anjau apwal, i kin rapaki leowa; ni pon pa i kin u wei o jota kin dukedi, pwe wen I jota kak injenemaula.
3 Ta-hahatsiaro an’ Andriamanitra aho, ka dia nisento; te-hieritreritra aho, ka dia reraka ny fanahiko. (Sela)
Ni ai tamanda Kot, i kin ajenokida, ni ai madamadaua, nen i kin luetala.
4 Mampiari-tory ny masoko Hianao; mitebiteby aho ka tsy mahateny.
Kom kin kotin kolekol por en maj ai, pwe ira en papat; nai inen en luet, jolar itar on lokaia.
5 Nihevitra ny andro fahiny aho, dia ny taon-dasa ela.
I kin lamelame duen ran en maj akan, duen par akan me jamalar.
6 Ta-hahatsiaro ny nitendreko valiha tamin’ ny alina aho; te-hidinidinika amin’ ny foko aho, ary ny fanahiko nanontany mafy hoe:
Ni pon i kin lamelame duen ai kajan arp, o monion i kin madamadaua; nen i kin raparapaki.
7 Hanary mandrakizay va ny Tompo? Tsy hankasitraka intsony va Izy?
Kalelapok, leowa pan kotin onion kokolata, o a jota pan kotin maki on?
8 Efa nitsahatra mandrakizay va ny famindram-pony? Efa tapitra mandrakizay va ny teniny?
A kalanan rojelar melel, o a inau imwijokalar kokolata?
9 Efa nanadino hamindra fo va Andriamanitra? Efa nohidiany an-katezerana va ny fiantràny? (Sela)
Kot kotin malielar a mak on kit, o a karirikilar onion a kalanan?
10 Ary hoy izaho: Izao no mahararirary ny foko, dia ny niovan’ ny tanana ankavanan’ ny Avo Indrindra.
Ari jo, i indadar: Mepukat me mau on ia; pali maun en lim en me Lapalap pan kak dorela meakaroj.
11 Hampahatsiaro ny asan’ i Jehovah aho, fa ta-hahatsiaro ny fahagagana nataonao fony taloha;
I me i kin taman kida wiawian leowa; melel i kin tamanda omui manaman akan jan maj o,
12 Eny hisaina ny asanao rehetra aho, ary hihevitra ny nataonao.
O madamadaua duen omui wiawia kan karoj, o kilekilan duen omui dodok.
13 Andriamanitra ô, amin’ ny fitoerana masìna ny lalanao; iza no andriamani-dehibe tahaka an’ Andriamanitra?
Main Kot, al omui me pun. Ia waja amen Kot manaman mia dueta Kaun o?
14 Hianao no Andriamanitra Izay manao fahagagana; efa nampahalala ny herinao teny amin’ ny firenena Hianao.
Komui ta Kot me kin wia manaman akan. Komui kotin kajanjaledar omui manaman nan pun en wei kan.
15 Navotan’ ny sandrinao ny olonao, dia ny taranak’ i Jakoba sy Josefa. (Sela)
Komui kotin dore kila japwilim omui kan omui manaman, iei jeri en Iakop o Iojep akan.
16 Ny rano be nahita Anao, Andriamanitra ô, ny rano be nahita Anao ka toran-kovitra; eny, nanonjanonja ny lalina.
Pil akan ariri komui, Main Kot, pil akan ariri komui, rap majapwekadar, o waja lol rererdar.
17 Nandatsaka ranonorana ny rahona; nikotrokotroka ny lanitra; nifanaretsaka koa ny zana-tsipìkanao.
Tapok kalaimun akan kamoredier pil, tapok kan wiadar nanjapwe, o liol piripir jili.
18 Ny fikotrokotroky ny kotrokorana dia teo amin’ ny tadio; nahazava izao rehetra izao ny helatra; nihovotrovotra sy nihorohoro ny tany.
Nanjapwe wiauier nanlan; japwilim omui liol akan kamaraini jappa; jappa mokieda o rerer.
19 Tany amin’ ny ranomasina ny lalanao, ary ny nalehanao dia tany amin’ ny rano mandriaka, ka tsy fantatra ny dian-tongotrao.
Al omui mi nan madau, al omui tatik nan pil kalaimun akan, o jota me kaan aluwilu omui.
20 Ny tanan’ i Mosesy sy Arona no nitondranao ny olonao toy ny ondry.
Kom kotin kalua japwilim omui kan dueta pwin eu ren Mojej o Aron.

< Salamo 77 >