< Salamo 75 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Al-tasheth. Salamo nataon’ i Asafa. Tonon-kira. Hisaoranay Hianao, Andriamanitra ô; eny, hisaoranay Hianao; fa akaiky ny anaranao; mitory ny fahagagana ataonao ny olona. 2 Fa ho avy tokoa amin’ ny fotoana Aho; eny, Izaho no hitsara marina. 3 Mihorohoro ny tany sy ny mponina rehetra eo aminy, nefa Izaho no nanorina ny andriny. (Sela) 4 Hoy izaho tamin’ ny mpirehareha: aza mirehareha, ary tamin’ ny ratsy fanahy: aza manandra-tandroka; 5 Aza manandratra ny tandrokareo ho avo; ary aza miteny sahisahy amin’ ny fahamafian-katoka. 6 Fa tsy avy any atsinanana, na avy any andrefana, na avy any atsimo, ny fisandratana. 7 Fa Andriamanitra no Mpitsara; mampietry ny anankiray Izy ary manandratra ny anankiray kosa. 8 Fa misy kapoaka eo an-tànan’ i Jehovah, feno divay mandroatra miharoharo zavatra iny, ka ampisotroany; eny, ny ratsy fanahy rehetra amin’ ny tany dia hitroka ny faikany. 9 Fa izaho hanambara izany mandrakizay, ka hankalaza an’ Andriamanitr’ i Jakoba. 10 Ary ny tandroky ny ratsy fanahy rehetra hotapahiko; fa ny tandroky ny marina kosa no hasandratra.

< Salamo 75 >