< Salamo 67 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ ny valiha. Salamo. Tonon-kira. Andriamanitra anie hamindra fo aminay sy hitahy anay; (Sela) hampamirapiratra ny tavany aminay anie Izy;
Que Dieu ait pitié de nous et nous bénisse; qu'il fasse luire sa face sur nous! (Sélah)
2 Mba ho fantatra etỳ ambonin’ ny tany ny lalanao sy ny famonjenao any amin’ ny jentilisa rehetra.
Afin que ta voie soit connue sur la terre, et ton salut parmi toutes les nations.
3 Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera Anao ny firenena rehetra.
Les peuples te célébreront, ô Dieu; tous les peuples te célébreront.
4 Hifaly sy hihoby ny firenentsamy hafa, Satria mitsara marina ny firenena Hianao; ny firenen-tsamy hafa ambonin’ ny tany dia entinao. (Sela)
Les nations se réjouiront et chanteront de joie; car tu jugeras les peuples avec droiture, et tu conduiras les nations sur la terre.
5 Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera Anao ny firenena rehetra.
Les peuples te célébreront, ô Dieu; tous les peuples te célébreront.
6 Ny tany efa nahavokatra; mitahy antsika Andriamanitra, dia Andriamanitsika.
La terre a donné son fruit; Dieu, notre Dieu, nous bénira.
7 Mitahy antsika Andriamanitra; ary hatahotra Azy ny vazan-tany rehetra.
Dieu nous bénira, et toutes les extrémités de la terre le craindront.

< Salamo 67 >