< Salamo 67 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ ny valiha. Salamo. Tonon-kira. Andriamanitra anie hamindra fo aminay sy hitahy anay; (Sela) hampamirapiratra ny tavany aminay anie Izy; 2 Mba ho fantatra etỳ ambonin’ ny tany ny lalanao sy ny famonjenao any amin’ ny jentilisa rehetra. 3 Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera Anao ny firenena rehetra. 4 Hifaly sy hihoby ny firenentsamy hafa, Satria mitsara marina ny firenena Hianao; ny firenen-tsamy hafa ambonin’ ny tany dia entinao. (Sela) 5 Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera Anao ny firenena rehetra. 6 Ny tany efa nahavokatra; mitahy antsika Andriamanitra, dia Andriamanitsika. 7 Mitahy antsika Andriamanitra; ary hatahotra Azy ny vazan-tany rehetra.

< Salamo 67 >