< Salamo 66 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Tonon-kira. Salamo. 2 Mankalazà ny voninahitry ny anarany; omeo voninahitra Izy ho fiderana Azy. 3 Lazao amin’ Andriamanitra hoe: endrey, mahatahotra ny asanao! ny fahalehibiazan’ ny herinao no hikoizan’ ny fahavalonao Anao. 4 Ny tany rehetra hiankohoka eo anatrehanao ka hankalaza Anao; eny, hankalaza ny anaranao izy. (Sela) 5 Avia, ka jereo ny asan’ Andriamanitra, mahatahotra ny zavatra ataony amin’ ny zanak’ olombelona. 6 Efa nampody ny ranomasina ho tany maina Izy; nandeha an-tongotra nita ny ony ny olona; tao no nifaliantsika tamin’ Andriamanitra. 7 Manjaka mandrakizay amin’ ny heriny Izy, ary ny masony mandinika ny firenen-tsamy hafa; aoka tsy hanandra-tena ny maditra. (Sela) 8 Misaora an’ Andriamanitsika, ry firenena; ary asandrato ny feo fiderana Azy, 9 Izay mampitoetra ny fanahintsika amin’ ny fiainana ka tsy mamela ny tongotsika hangozohozo. 10 Fa efa nizaha toetra anay Hianao, Andriamanitra ô; efa nanadio anay Hianao, tahaka ny fanadio volafotsy amin’ ny memy. 11 Efa nampiditra anay tamin’ ny fandrika Hianao; efa nanisy enta-mavesatra teo am-balahanay Hianao. 12 Efa nampandeha ny olona hanitsaka ny lohanay Hianao; nandeha namaky ny afo sy ny rano izahay; fa nitondra anay nivoaka ho amin’ ny fitahiana mahatretrika Hianao. 13 Hiditra ao an-tranonao mitondra fanatitra dorana aho; hefaiko aminao ny voadiko, 14 Izay notononin’ ny molotro sy naloaky ny vavako, fony aho azom-pahoriana. 15 Hateriko aminao ho fanatitra dorana ny matavy mbamin’ ny setroky ny ondrilahy; hanatitra omby sy osilahy aho. (Sela) 16 Avia, mihainoa ianareo rehetra izay matahotra an’ Andriamanitra, fa holazaiko izay nataony ho an’ ny fanahiko. 17 Izy no nantsoin’ ny vavako; ary ny fanandratana Azy no teo ambanin’ ny lelako. 18 Raha nankasitraka ota tao am-poko aho, dia tsy mba hihaino ny Tompo; 19 Kanefa efa nihaino tokoa Andriamanitra; efa nihaino ny feon’ ny fivavako Izy. 20 Isorana anie Andriamanitra, izay tsy nandà ny fivavako, na nanaisotra ny famindram-pony tamiko.

< Salamo 66 >