< Salamo 65 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ i Davida. Tonon-kira. Ho anao ny fanginana sy ny fiderana, Andriamanitra any Ziona ô, ary aminao no anefana ny voady.
[For the Chief Musician. A Psalm by David. A song.] Praise awaits you, God, in Zion. And to you shall vows be performed.
2 Ry Mpihaino vavaka ô, Hianao no hohatonin’ ny nofo rehetra.
You who hear prayer, to you all men will come.
3 Ny zava-mahameloka ahy dia mihoatra noho izay zakako; nefa Hianao no mamela ny fahadisoanay.
Sins overwhelmed me, but you atoned for our transgressions.
4 Sambatra izay fidinao ka ampanatoninao hitoetra eo an-kianjanao; Te-ho voky ny zava-tsoa ao amin’ ny tranonao izahay dia ny zava-masìna ao amin’ ny tempolinao.
Blessed is the one you choose and bring near, that he may dwell in your courts. We will be filled with the goodness of your house, your holy temple.
5 Zava-mahatahotra no ataonao amin’ ny fahamarinana ho valin’ ny vavakay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, ry tokin’ ny faran’ ny tany rehetra sy ny ranomasina eny lavitra eny.
By awesome deeds of righteousness, you answer us, God of our salvation. You who are the hope of every part of the earth, of those who are far away on the sea;
6 Mampiorina ny tendrombohitra amin’ ny heriny Izy, misikìna fahatanjahana Izy.
Who by his power forms the mountains, having armed yourself with strength;
7 Mampitsahatra ny firohondrohon’ ny onjan-dranomasina Izy, sy ny fitabataban’ ny firenena.
who stills the roaring of the seas, the roaring of their waves, and the turmoil of the nations.
8 Dia matahotra noho ny famantaranao ny mponina any am-paran’ ny tany; ny any amin’ ny fiposahan’ ny maraina sy ny hariva no ampihobinao.
They also who dwell in faraway places are afraid at your wonders. You call the morning's dawn and the evening with songs of joy.
9 Mamangy ny tany Hianao ka mahamando azy; mampahavokatra azy betsaka Hianao ― Ny onin’ Andriamanitra dia tondra-drano ― Mamboatra vary ho an’ ny olona Hianao; fa izany no famboatrao ny tany.
You visit the earth, and water it. You greatly enrich it. The river of God is full of water. You provide them grain, for so you have ordained it.
10 Mahampoka ny tany voasa Hianao ka mampiravona azy; ranonorana mivatravatra no amontosanao azy; mitahy ny fitsimohany Hianao.
You drench its furrows. You level its ridges. You soften it with showers. You bless it with a crop.
11 Satrohanao voninahitra ny taona fitahianao; ary ny dianao mitete menaka.
You crown the year with your bounty. Your carts overflow with abundance.
12 Vonton-drano ny fiandrasana ondry any an-efitra, ary misikìna fifaliana ny havoana.
The wilderness grasslands overflow. The hills are clothed with gladness.
13 Rakotra ondry ny saha; ary voasarona vary ny lohasaha: mihoby izy, eny, mihira koa.
The pastures are covered with flocks. The valleys also are clothed with grain. They shout for joy. They also sing.

< Salamo 65 >