< Salamo 64 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ i Davida. Henoy ny feoko, raha mitaraina aho, Andriamanitra ô; arovy ny aiko amin’ ny tahotro ny fahavalo. 2 Afeno aho tsy ho azon’ ny firaisan-tetiky ny ratsy fanahy, sy ny fitabataban’ ny mpanao ratsy, 3 Izay mandranitra ny lelany ho tahaka ny sabatra, ka mikendry handefa ny zana-tsipìkany, dia teny mangidy. 4 Mba hitifitra mangingina ny mahitsy; mitifitra azy tampoka izy ka tsy matahotra. 5 Hamafiny ny hevi-dratsiny; mifampitaona hanao fandri-totofana izy ka manao hoe: iza no hahita izany? 6 Manao saim-petsy izy; omaniny tsara ny sain-dalina voaheviny; lalina ny ao anatin’ ny olombelona, dia ny fony. 7 Mitifitra azy Andriamanitra; tampoka toy ny fiantefan’ ny zana-tsipìka no fahavoazany. 8 Apotrany izy ka voasingotra ny lelany ihany; mandositra izay rehetra mahita azy. 9 Dia matahotra ny olona rehetra ka manambara ny ataon’ Andriamanitra sady mandinika tsara ny asany. 10 Mifaly amin’ i Jehovah ny marina ka mialoka aminy; eny, mifaly tena ny mahitsy fo rehetra.

< Salamo 64 >