< Salamo 63 >

1 Salamo nataon’ i Davida, fony tany an-efitr’ i Joda izy. Andriamanitra ô, Andriamanitro Hianao; mitady Anao fatratra aho; mangetaheta Anao ny fanahiko, maniry Anao ny nofoko, eto amin’ ny tany maina sy mangentana tsy misy rano; 2 Toy izany no nijereko Anao tao amin’ ny fitoerana masìna, hahitako ny herinao sy ny voninahitrao. 3 Fa tsara noho ny aina ny famindram-ponao; ny molotro hidera Anao. 4 Toy izany no hisaorako Anao, raha mbola velona koa aho; amin’ ny anaranao no hanandratako ny tanako. 5 Toy ny voky tsoka sy tavy no hahavokisan’ ny fanahiko; ary amin’ ny molotra falifaly no hideran’ ny vavako Anao. 6 Raha mahatsiaro Anao eo am-pandriako aho, dia mieritreritra Anao amin’ ny fiambenan’ alina. 7 Fa efa namonjy ahy Hianao, ary ao ambanin’ ny aloky ny elatrao no hihobiako. 8 Mifikitra amiko ny fanahiko; manohana ahy ny tananao ankavanana. 9 Fa ireny dia mitady ny aiko ka mampidi-doza amin’ ny tenany; hiditra any ambanin’ ny tany izy; 10 Hatolotra ho amin’ ny herin’ ny sabatra izy; ho anjaran’ ny amboahaolo izy. 11 Fa ny mpanjaka hifaly amin’ Andriamanitra; ho ravoravo izay rehetra mianiana aminy; fa hakombona ny vavan’ izay rehetra mandainga.

< Salamo 63 >