< Salamo 62 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Al-jedotona. Salamo nataon’ i Davida. Andriamanitra tokoa no iantombenan’ ny fanahiko; avy aminy ny famonjena ahy.
Truly my soul waits on God: from him comes my salvation.
2 Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy, dia fiarovana avo ho ahy ka tsy hangozohozo loatra aho.
He only is my rock and my salvation; he is my defense; I shall not be greatly moved.
3 Mandra-pahoviana no hirohotanareo hamely olona sy handrodananareo rehetra azy toy ny manda mirona sy ny rova mihozongozona;
How long will you imagine mischief against a man? you shall be slain all of you: as a bowing wall shall you be, and as a tottering fence.
4 Misaina hanongana azy hiala amin’ ny voninahiny ireny; lainga no ifaliany, misaotra amin’ ny vavany izy, fa manozona amy ny fony. (Sela)
They only consult to cast him down from his excellency: they delight in lies: they bless with their mouth, but they curse inwardly. (Selah)
5 Miantombena amin’ Andriamanitra tokoa ianao, ry fanahiko; fa Izy no antenaiko.
My soul, wait you only on God; for my expectation is from him.
6 Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy, dia fiarovana avo ho ahy, ka tsy mba hangozohozo aho.
He only is my rock and my salvation: he is my defense; I shall not be moved.
7 Andriamanitra no iankinan’ ny famonjena ahy sy ny voninahitro; ny vatolampiko mafy sy ny aroko dia ao amin’ Andriamanitra.
In God is my salvation and my glory: the rock of my strength, and my refuge, is in God.
8 Matokia Azy mandrakariva ianareo, ry olona; loary eo anatrehany ny fonareo; Andriamanitra no aro ho antsika. (Sela)
Trust in him at all times; you people, pour out your heart before him: God is a refuge for us. (Selah)
9 Zava-poana tokoa ny ambany, ary lainga ny ambony; raha hatao amin’ ny mizana izy, dia maivana; zava-poana mihitsy izy.
Surely men of low degree are vanity, and men of high degree are a lie: to be laid in the balance, they are altogether lighter than vanity.
10 Aza matoky ny fanaovana an-keriny, ary aza miantehitra amin’ ny halatra; raha mitombo ny harena, dia aza anorenana ny fonareo.
Trust not in oppression, and become not vain in robbery: if riches increase, set not your heart on them.
11 Indray mandeha no nitenenan’ Andriamanitra; indroa no nandrenesako hoe: an’ Andriamanitra ny hery.
God has spoken once; twice have I heard this; that power belongs to God.
12 Ary Anao koa, ry Tompo ô, ny famindram-po, fa Hianao no mamaly ny olona rehetra araka ny asany avy.
Also to you, O Lord, belongs mercy: for you render to every man according to his work.

< Salamo 62 >