< Salamo 61 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ ny valiha. Nataon’ i Davida. Henoy ny fitarainako, Andriamanitra ô; tandremo ny fivavako. 2 Any am-paran’ ny tany no hiantsoako Anao raha reraka ny foko; ento aho ho any amin’ ny vatolampy izay avo ka tsy tratro; 3 Fa aroko Hianao sy tilikambo mafy handosirako ny fahavalo. 4 Aoka hitoetra ao an-tranonao mandrakizay aho; aoka hialoka ao ambanin’ ny fanomban’ ny elatrao aho, 5 Fa Hianao, Andriamanitra ô efa nandre ny voadiko; efa nomenao ahy ny lovan’ izay matahotra ny anaranao. 6 Halavao ny andron’ ny mpanjaka; aoka ny taonany hahatratra ny taranaka maro. 7 Aoka hitoetra eo anatrehan’ Andriamanitra mandrakizay izy; famindram-po sy fahamarinana no tendreo hiaro azy; 8 Ka dia izany no hankalazako ny anaranao mandrakizay, mba hanefako isan’ andro ny voadiko.

< Salamo 61 >