< Salamo 6 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Nampiarahina amin’ ny valiha. Al-hasheminith. Salamo nataon’ i Davida. Jehovah ô, aza ny fahatezeranao no ananaranao ahy, ary aza ny fahaviniranao no amaizanao ahy. 2 Mamindrà fo amiko, Jehovah ô, fa reraka aho; sitrano aho, Jehovah ô, fa mihozohozo ny taolako. 3 Ny fanahiko koa dia mangovitra loatra; fa Hianao, Jehovah ô, mandra-pahoviana? 4 Miverena, Jehovah ô, afaho ny fanahiko; Vonjeo aho noho ny famindram-ponao. 5 Fa tsy misy fahatsiarovana Anao any amin’ ny fahafatesana, any amin’ ny fiainan-tsi-hita iza no hidera Anao? (Sheol h7585) 6 Efa sasatry ny misento aho; mampitsinkafona ny farafarako isan’ alina aho sady mahampo-dranomaso ny fandriako. 7 Lanin’ alahelo ny masoko; efa pahina izy amin’ ny ataon’ ny mpampahory ahy rehetra. 8 Mialà amiko, ianareo mpanao ratsy rehetra; fa Jehovah efa nandre ny feon’ ny fitomaniako. 9 Jehovah efa nandre ny fangatahako; Jehovah no handray ny fivavahako. 10 Ho menatra sy hangovitra indrindra ny fahavaloko rehetra; hihodina izy ka ho menatra tampoka.

< Salamo 6 >