< Salamo 56 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Al-jonathelem-rehokim. Miktama nataon’ i Davida, fony nisambotra azy tany Gata ny Filistina. Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, fa misafoaka manenjika ahy ny olona; miady amiko mandrakariva izy ka mampahory ahy. 2 Misafoaka manenjika mandrakariva ny mpampahory ahy; maro tokoa no mirehareha miady amiko. 3 Amin’ ny andro atahorako no itokiako Anao. 4 Andriamanitra no iderako ny teniny; Andriamanitra no itokiako, ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon’ ny nofo amiko? 5 Manimba ny raharahako mandra-kariva ireny; ny heviny rehetra dia ny hanisy ratsy ahy ihany. 6 Miangona izy, miery izy, mitsongo-dia ahy izy, satria mikendry ny aiko. 7 Amin’ izany faharatsiany izany moa hisy hahafahany va? Aripaho amin’ ny fahatezeranao ny firenena. Andriamanitra ô. 8 Manisa ny firenireneko Hianao; ataovy ao an-tavoahanginao ny ranomasoko; tsy eo amin’ ny bokinao va ireny? 9 Amin’ izay dia hiamboho ny fahavaloko amin’ ny andro hiantsoako Anao; izao dia fantatro, fa momba ahy Andriamanitra. 10 Andriamanitra no iderako ny teniny; Jehovah no iderako ny teniny. 11 Andriamanitra no itokiako; ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon’ ny olona amiko? 12 Nivoady taminao aho, Andriamanitra ô, dia hanatitra fanati-pisaorana ho Anao. 13 Fa efa nanafaka ny fanahiko tamin’ ny fahafatesana Hianao; eny, nanafaka ny tongotro Hianao mba tsy ho solafaka. Handehanako eo anatrehan’ Andriamanitra amin’ ny fahazavan’ ny velona.

< Salamo 56 >