< Salamo 55 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ ny valiha. Maskila nataon’ i Davida. Mihainoa ny fivavako, Andriamanitra ô, ary aza miery amin’ ny fitarainako.
O Dieu, prête l'oreille à ma prière, et ne te cache pas loin de ma supplication!
2 Henoy aho, ka valio; miriorio ny eritreritro, ka mitoloko aho,
Écoute-moi et réponds-moi; je m'agite dans ma plainte, et je gémis,
3 Noho ny feon’ ny fahavalo sy ny fampahorian’ ny ratsy fanahy; fa mampianjera loza amiko ireny, ary amin’ ny fahatezerana no ankahalany ahy.
A la voix de l'ennemi, devant l'oppression du méchant; car ils font tomber sur moi le malheur, et me poursuivent avec furie.
4 Mangorohoro ato anatiko ny foko, ary mamely ahy ny tahotra ny fahafatesana.
Mon cœur frémit au-dedans de moi, et des frayeurs mortelles sont tombées sur moi.
5 Tahotra sy hovitra no mahazo ahy, ary manafotra ahy ny horohoro.
La crainte et le tremblement viennent sur moi; l'effroi m'enveloppe.
6 Ka hoy izaho: enga anie ka manana elatra tahaka ny voromailala aho, dia handositra aho ka hahita izay hitoerako;
Et j'ai dit: Oh! qui me donnera les ailes de la colombe? Je m'envolerais, et j'irais me poser ailleurs.
7 Eny, handositra lavitra aho ka hitoetra any an-efitra. (Sela)
Voilà, je m'enfuirais bien loin, je me tiendrais au désert. (Sélah)
8 Handeha faingana aho hamonjy fialofana, mba tsy ho azon’ ny tafio-drivotra sy ny ranonoram-baratra.
Je me hâterais de m'échapper, loin du vent violent, loin de la tempête.
9 Aringano izy, ary akoroy ny fiteniny, Tompo ô; fa mahita loza sy ady ao an-tanàna aho.
Anéantis-les, Seigneur; confonds leurs langues; car je ne vois que violence et querelles dans la ville.
10 Hodidininy andro aman’ alina eny ambonin ny mandany io; ary heloka sy fampahoriana no ao aminy;
Elles en font le tour, jour et nuit, sur ses murailles; la ruine et le tourment sont au milieu d'elle.
11 Ratsy no ao anatiny; ary ny fitaka sy ny fanangolena tsy mba miala amin’ ny lalàmbeny.
La malice est au milieu d'elle; l'oppression et la fraude ne s'éloignent point de ses places.
12 Fa tsy fahavalo no nanaratsy ahy, ― fa raha izany, dia niaritra ihany aho; tsy olona nankahala ahy no nanandra-tena namely ahy, fa raha izany, dia niery azy aho;
Car ce n'est pas un ennemi qui m'outrage, je pourrais le supporter; mon adversaire n'est pas celui qui me haïssait, je me cacherais loin de lui.
13 Fa ianao, lehilahy mitovy saranga amiko, namako sy sakaizako indrindra,
Mais c'est toi, un homme traité comme mon égal, mon compagnon et mon ami!
14 Dia isika izay nifankamamy resaka ka niara-nandeha tamin’ ny maro ho ao an-tranon’ Andriamanitra.
Nous prenions plaisir à nous entretenir ensemble, nous allions à la maison de Dieu avec la foule.
15 Aoka hanampoka azy ny fahafatesana. Aoka hidina velona any amin’ ny fiainan-tsi-hita izy; fa ratsy no ao amin’ ny fonenany, dia ao afovoany. (Sheol h7585)
Que la mort les surprenne! Qu'ils descendent vivants au Sépulcre! Car la malice est dans leurs demeures, dans leurs cœurs. (Sheol h7585)
16 Raha izaho, dia Andriamanitra no hantsoiko; ary Jehovah no hamonjy ahy.
Mais moi, je crierai à Dieu, et l'Éternel me sauvera.
17 Hariva sy maraina ary mitatao vovonana no hitarainako sy hitolokoako; dia hihaino ny feoko Izy,
Le soir, et le matin, et à midi, je crierai et je gémirai, et il entendra ma voix.
18 Ka hanavotra ny fanahiko ho amin’ ny fiadanana hahafahako amin’ ny adin’ ireny amiko, fa maro no miady amiko.
Il mettra mon âme en paix, la délivrant de la guerre qu'on lui fait, car j'ai affaire à beaucoup de gens.
19 Hihaino Andriamanitra, Izay mipetraka hatramin’ ny taloha, (Sela) ka hamaly ireo olona tsy miova toetra, sady tsy matahotra an’ Andriamanitra.
Dieu l'entendra, et il les humiliera, lui qui règne de tout temps (Sélah) parce qu'il n'y a point en eux de changement, et qu'ils ne craignent point Dieu.
20 Efa naninjitra ny tànany hamely izay nihavana taminy izy; namadika ny fanekeny izy.
Chacun jette la main sur ceux qui vivaient en paix avec lui; il viole son alliance.
21 Malambo noho ny rononomandry ny vavany, kanjo ady no ao am-pony; malemy noho ny diloilo ny teniny, kanjo sabatra voatsoaka ireny.
Les paroles de sa bouche sont plus douces que le beurre, mais la guerre est dans son cœur; ses paroles sont plus onctueuses que l'huile, mais ce sont des épées nues.
22 Apetraho amin’ i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.
Décharge-toi de ton fardeau sur l'Éternel, et il te soutiendra; il ne permettra jamais que le juste soit ébranlé.
23 Fa Hianao, Andriamanitra ô, no hampidina ireo any an-davaka fanimbana; ny mpandatsa-drà sy mpamitaka tsy hahatratra ny an-tsasaky ny androny; fa izaho kosa dia hatoky Anao.
Toi, ô Dieu, tu les précipiteras au fond de la fosse; les hommes de sang et de fraude n'atteindront pas la moitié de leurs jours; mais moi, je me confie en toi.

< Salamo 55 >