< Salamo 53 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Al-mahalath. Maskila nataon’ i Davida. Ny adala manao anakampo hoe: tsy misy Andriamanitra. Manao izay ratsy sy vetaveta izy, tsy misy manao ny tsara.
Рече безумник у срцу свом: Нема Бога; проневаљалише се и загрдеше у безакоњу, нема никога добро да твори.
2 Eny an-danitra Andriamanitra miondrika mijery ny zanak’ olombelona, mba hizaha na misy hendry mitady an’ Andriamanitra.
Бог с неба погледа на синове човечије да види има ли који разуман, и тражи ли који Бога.
3 Samy efa nivily izy rehetra ka tonga vetaveta avokoa; tsy misy manao ny tsara, na dia iray akory aza.
Сви застранише, сви се покварише, нема никога добро да твори, нема ни једног.
4 Tsy mahalala va ny mpanao ratsy, izay mihinana ny oloko toy ny fihinan-kanina, ary Andriamanitra tsy antsoiny?
Зар неће да се оразуме који год чине безакоње, једу народ мој као што једу хлеб, и не призивају Бога?
5 Indreo, matahotra dia matahotra ireny, nefa tsy nisy tokony hatahorany; fa Andriamanitra efa nanely ny taolan’ izay nitoby hamely anao; nampahamenatra azy ianao, satria efa narian’ Andriamanitra izy.
Дрхтаће од страха где страха нема. Јер ће Бог расути кости оних који устају на тебе. Ти ћеш их посрамити, јер их Бог одврже.
6 Enga anie ka hivoaka avy ao Ziona ny famonjena ny Isiraely! raha ampodin’ Andriamanitra avy amin’ ny fahababoana ny olony, dia ho faly Jakoba, ary ho ravoravo Isiraely.
Ко ће послати са Сиона спасење Израиљу? Кад Бог поврати заробљени народ свој, радоваће се Јаков, веселиће се Израиљ.

< Salamo 53 >