< Salamo 51 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ i Davida, fony Natana mpaminany nankao aminy rehefa naka an’ i Batseba izy. Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, araka ny fahasoavanao; araka ny haben’ ny fiantranao vonoy ny fahadisoako. 2 Sasao madio aho mba ho afa-keloka, ary diovy aho mba ho afa-pahotana. 3 Fa tsaroako ny fahadisoako, ary eo anatrehako mandrakariva ny fahotako. 4 Taminao dia taminao ihany no nanotako, ary izay ratsy eo imasonao no efa nataoko, mba ho marina Hianao, raha miteny, ary tsy hanan-tsiny Hianao, raha mitsara. 5 Indro, tamin’ ny heloka no niterahana ahy, ary tamin’ ny fahotana no torontoronina ahy ny reniko. 6 Indro, fahamarinana ao am-po no sitrakao; ary fahendrena ao amin’ ny miafina no ampahafantarinao ahy. 7 Diovy hysopa aho ho afa-pahotana, dia hadio; sasao aho, dia ho fotsy mangatsakatsaka. 8 Ampandreneso fifaliana sy faharavoravoana aho, hifalian’ ny taolana izay voavakivakinao. 9 Afeno ny tavanao ny fahotako ary vonoy ny heloko rehetra. 10 Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô; ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko. 11 Aza manary ahy hiala eo anatrehanao; ary aza manaisotra ny Fanahinao Masìna amiko. 12 Ampodio amiko ny fifaliana amin’ ny famonjenao; ary tohàny fanahy mazoto aho. 13 Dia hampianatra ny olon-diso ny lalanao aho; ary ny mpanota hampiverenina aminao. 14 Vonjeo ho afaka amin’ ny valin-drà aho, Andriamanitra ô, Andriamanitry ny famonjena ahy; hihoby ny fahamarinanao ny vavako. 15 Tompo ô, sokafy ny molotro, dia hanambara ny fiderana Anao ny vavako. 16 Fa tsy fanatitra no sitrakao; raha izany dia nomeko ihany; ny fanatitra dorana tsy mahafaly Anao. 17 Ny fanatitra ho an’ Andriamanitra dia fanahy torotoro; ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona. 18 Manaova soa amin’ i Ziona araka ny fahasoavanao; ataovy ny mandan’ i Jerosalema. 19 Dia ho sitrakao ny fanati-pahamarinana sy ny fanatitra dorana ary ny fanatitra levonina amin’ ny afo; dia hanatitra vantotr’ ombilahy eo amin’ ny alitaranao ny olona.

< Salamo 51 >