< Salamo 48 >

1 Tonon-kira. Salamo nataon’ ny Koraïta. Lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, ao an-tanànan’ Andriamanitsika, ao an-tendrombohiny masìna. 2 Avo mahafinaritra, fifalian’ ny tany rehetra, ny tendrombohitra Ziona, eo amin’ ny ilany avaratra, tanànan’ ny Mpanjaka lehibe. 3 Andriamanitra ao an-tranon’ andriana ao dia nanao izay hahafantarana Azy ho fiarovana avo. 4 Fa he! niangona ny mpanjaka maro, niara-nandroso avokoa izy. 5 Nijery izy ka talanjona terỳ; Very hevitra izy ka nalaky nandositra; 6 Hovitra no nahazo azy teo, dia tahaka ny fanaintainan’ ny vehivavy raha miteraka. 7 Amin’ ny rivotra avy any atsinanana no namakianao ny sambon’ i Tarsisy. 8 Araka izay efa rentsika no hitantsika, tao an-tanànan’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, tao an-tanànan’ Andriamanitsika. Andriamanitra mampitoetra azy mandrakizay. (Sela) 9 Efa nieritreritra ny famindram-ponao izahay, Andriamanitra ô, tao anatin’ ny tempolinao. 10 Araka ny anaranao, Andriamanitra ô, no fiderana Anao hatramin’ ny faran’ ny tany; feno fahamarinana ny tananao ankavanana. 11 Aoka hifaly ny tendrombohitra Ziona, aoka ho ravoravo ny zanaka-vavin’ Joda, noho ny fitsaranao. 12 Manodidina an’ i Ziona ianareo, eny, mandehana manodidina azy; isao ny tilikambony, 13 Hevero tsara ny mandany, diniho ny tranon’ andrianany, mba hambaranareo amin’ ny taranaka mandimby. 14 Fa izany no Andriamanitra, dia Andriamanitsika mandrakizay doria; Izy no hitarika antsika na dia hatramin’ ny fahafatesana aza.

< Salamo 48 >