< Salamo 48 >

1 Tonon-kira. Salamo nataon’ ny Koraïta. Lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, ao an-tanànan’ Andriamanitsika, ao an-tendrombohiny masìna.
[A Song. A Psalm by the sons of Korah.] Great is the LORD, and greatly to be praised, in the city of our God, in his holy mountain.
2 Avo mahafinaritra, fifalian’ ny tany rehetra, ny tendrombohitra Ziona, eo amin’ ny ilany avaratra, tanànan’ ny Mpanjaka lehibe.
Beautiful in elevation, the joy of the whole earth, is Mount Zion, in the far north, the city of the great King.
3 Andriamanitra ao an-tranon’ andriana ao dia nanao izay hahafantarana Azy ho fiarovana avo.
God has shown himself in her citadels as a refuge.
4 Fa he! niangona ny mpanjaka maro, niara-nandroso avokoa izy.
For, look, the kings assembled themselves, they passed by together.
5 Nijery izy ka talanjona terỳ; Very hevitra izy ka nalaky nandositra;
They saw it, then they were amazed. They were dismayed. They hurried away.
6 Hovitra no nahazo azy teo, dia tahaka ny fanaintainan’ ny vehivavy raha miteraka.
Trembling took hold of them there, pain, as of a woman in travail.
7 Amin’ ny rivotra avy any atsinanana no namakianao ny sambon’ i Tarsisy.
With the east wind, you break the ships of Tarshish.
8 Araka izay efa rentsika no hitantsika, tao an-tanànan’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, tao an-tanànan’ Andriamanitsika. Andriamanitra mampitoetra azy mandrakizay. (Sela)
As we have heard, so we have seen, in the city of the LORD of hosts, in the city of our God. God will establish it forever. (Selah)
9 Efa nieritreritra ny famindram-ponao izahay, Andriamanitra ô, tao anatin’ ny tempolinao.
We have thought about your loving kindness, God, in the midst of your temple.
10 Araka ny anaranao, Andriamanitra ô, no fiderana Anao hatramin’ ny faran’ ny tany; feno fahamarinana ny tananao ankavanana.
As is your name, God, so is your praise to the farthest parts of the earth. Your right hand is full of righteousness.
11 Aoka hifaly ny tendrombohitra Ziona, aoka ho ravoravo ny zanaka-vavin’ Joda, noho ny fitsaranao.
Let Mount Zion be glad. Let the daughters of Judah rejoice, Because of your judgments.
12 Manodidina an’ i Ziona ianareo, eny, mandehana manodidina azy; isao ny tilikambony,
Walk about Zion, and go around her. Number its towers.
13 Hevero tsara ny mandany, diniho ny tranon’ andrianany, mba hambaranareo amin’ ny taranaka mandimby.
Consider her defenses. Consider her palaces, that you may tell it to the next generation.
14 Fa izany no Andriamanitra, dia Andriamanitsika mandrakizay doria; Izy no hitarika antsika na dia hatramin’ ny fahafatesana aza.
For this God is our God forever and ever. He will guide us forever.

< Salamo 48 >