< Salamo 47 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Nataon’ ny Koraïta. Salamo. Mitehafa tanana, ry firenena rehetra; mihobia ho an’ Andriamanitra. 2 Fa Jehovah no avo indrindra ka tokony hatahorana; Mpanjaka lehibe ambonin’ ny tany rehetra Izy. 3 Mandresy firenena maro Izy ho ambanintsika, ary firenen-tsamy hafa ho ambanin’ ny tongotsika. 4 Mifidy ny lovantsika ho antsika Izy, dia ny voninahitr’ i Jakoba izay tiany. (Sela) 5 Efa niakatra tamin’ ny fihobiana Andriamanitra, Jehovah niakatra tamin’ ny fitsofana ny anjomara. 6 Mankalazà an’ Andriamanitra, eny mankalazà; mankalazà ny Mpanjakantsika, eny, mankalazà. 7 Fa Mpanjaka amin’ ny tany rehetra Andriamanitra; mahaiza mankalaza tsara ianareo. 8 Andriamanitra manjaka amin’ ny firenen-tsamy hafa; Andriamanitra mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianany masìna. 9 Ny mpanapaka ny firenen-tsamy hafa miangona ho olon’ Andriamanitr’ i Abrahama; fa an’ Andriamanitra ny ampingan’ ny tany; Avo indrindra Izy.

< Salamo 47 >