< Salamo 47 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Nataon’ ny Koraïta. Salamo. Mitehafa tanana, ry firenena rehetra; mihobia ho an’ Andriamanitra.
in finem pro filiis Core psalmus omnes gentes plaudite manibus iubilate Deo in voce exultationis
2 Fa Jehovah no avo indrindra ka tokony hatahorana; Mpanjaka lehibe ambonin’ ny tany rehetra Izy.
quoniam Dominus excelsus terribilis rex magnus super omnem terram
3 Mandresy firenena maro Izy ho ambanintsika, ary firenen-tsamy hafa ho ambanin’ ny tongotsika.
subiecit populos nobis et gentes sub pedibus nostris
4 Mifidy ny lovantsika ho antsika Izy, dia ny voninahitr’ i Jakoba izay tiany. (Sela)
elegit nobis hereditatem suam speciem Iacob quam dilexit diapsalma
5 Efa niakatra tamin’ ny fihobiana Andriamanitra, Jehovah niakatra tamin’ ny fitsofana ny anjomara.
ascendit Deus in iubilo Dominus in voce tubae
6 Mankalazà an’ Andriamanitra, eny mankalazà; mankalazà ny Mpanjakantsika, eny, mankalazà.
psallite Deo nostro psallite psallite regi nostro psallite
7 Fa Mpanjaka amin’ ny tany rehetra Andriamanitra; mahaiza mankalaza tsara ianareo.
quoniam rex omnis terrae Deus psallite sapienter
8 Andriamanitra manjaka amin’ ny firenen-tsamy hafa; Andriamanitra mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianany masìna.
regnavit Deus super gentes Deus sedit super sedem sanctam suam
9 Ny mpanapaka ny firenen-tsamy hafa miangona ho olon’ Andriamanitr’ i Abrahama; fa an’ Andriamanitra ny ampingan’ ny tany; Avo indrindra Izy.
principes populorum congregati sunt cum Deo Abraham quoniam Dei fortes terrae vehementer elevati sunt

< Salamo 47 >