< Salamo 42 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Maskila. Nataon’ ny Koraïta. Tahaka ny diera mihanahana maniry ny rano an’ ony no anirian’ ny fanahiko Anao, Andriamanitra ô.
Comme un cerf brame après les eaux courantes, ainsi mon âme soupire après toi, ô Dieu!
2 Mangetaheta an’ Andriamanitra ny fanahiko, dia Andriamanitra velona; Rahoviana no ho tonga aho ka hiseho eo anatrehan’ Andriamanitra?
Mon âme a soif de Dieu, du Dieu vivant; quand entrerai-je et me présenterai-je devant la face de Dieu?
3 Ny ranomasoko no fiahiko andro aman’ alina, amin’ ny anaovany ahy mandrakariva hoe: Aiza izay Andriamanitrao?
Les larmes sont devenues mon pain jour et nuit, pendant qu'on me dit sans cesse: Où est ton Dieu?
4 Izao zavatra izao no hotsarovako, ka haidiko ato anatiko ny fanahiko, dia ny nandrosoako niaraka tamin’ ny maro, sy ny nitarihako azy ho any an-tranon’ Andriamanitra, nanao feo mihoby sy midera, dia olona maro izay nitandrina ny andro firavoravoana.
Voici ce que je me rappelle, et j'en repasse le souvenir dans mon cœur: c'est que je marchais entouré de la foule, je m'avançais à sa tête jusqu'à la maison de Dieu, avec des cris de joie et de louange, en cortège de fête.
5 Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko, ka mitoloko ato anatiko? Manantenà an’ Andriamanitra ianao, fa mbola hidera Azy ihany aho noho ny famonjen’ ny tavany.
Pourquoi t'abats-tu, mon âme, et frémis-tu en moi? Attends-toi à Dieu, car je le louerai encore; son regard est le salut!
6 Andriamanitro ô, mitanondrika ato anatiko ny fanahiko; Izany no ahatsiarovako Anao eo amin’ ny tanin’ i Jordana sy amin’ ireo Hermona ary amin’ ny tendrombohitra Mizara.
Mon Dieu, mon âme est abattue en moi; aussi je me souviens de toi au pays du Jourdain et des Hermons, au mont de Mitséar.
7 Ny lalina miantso ny lalina noho ny firohondrohon’ ny riananao; ny onjanao rehetra sy ny alon-dranonao efa nanafotra ahy.
Un abîme appelle un autre abîme au bruit de tes torrents; toutes tes vagues, tous tes flots ont passé sur moi.
8 Jehovah handidy ny famindram-pony nony andro, ary ho amiko nony alina ny fihirana Azy, dia vavaka amin’ Andriamanitry ny aiko.
De jour, l'Éternel enverra sa grâce, et de nuit son cantique sera dans ma bouche; je prierai le Dieu qui est ma vie;
9 Hoy izaho amin’ Andriamanitra Vatolampiko: nahoana no nanadino ahy Hianao? nahoana no mandeha mijoretra aho noho ny fampahorian’ ny fahavaloko?
Je dirai à Dieu, mon rocher: Pourquoi m'as-tu oublié? Pourquoi marcherai-je en deuil, sous l'oppression de l'ennemi?
10 Toy ny zavatra mahatorotoro ny taolako no fandatsan’ ny fahavaloko ahy, ka hoy izy isan’ andro: Aiza izay Andriamanitrao?
Mes os se brisent, quand mes ennemis m'outragent, disant chaque jour: Où est ton Dieu?
11 Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko? ary nahoana no mitoloko ato anatiko ianao? Manantenà an’ Andriamanitra, fa mbola hidera Azy ihany aho, Izy no famonjena ny tavako sady Andriamanitro.
Pourquoi t'abats-tu, mon âme, et pourquoi frémis-tu en moi? Attends-toi à Dieu, car je le louerai encore; il est mon salut et mon Dieu!

< Salamo 42 >