< Salamo 41 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ i Davida. Sambatra izay mahatsiaro ny malahelo; Jehovah hamonjy azy amin’ ny andro fahoriana.
[For the Chief Musician. A Psalm by David.] Blessed is he who considers the poor and needy. YHWH will deliver him in the day of evil.
2 Jehovah hitandrina sy hiaro azy tsy ho faty; hatao ho sambatra ambonin’ ny tany izy, ary tsy mba hatolotrao amin’ ny sitrapon’ ny fahavalony.
YHWH will protect him, and keep him alive. He shall be blessed on the earth, and he will not surrender him to the will of his enemies.
3 Jehovah hanohana azy eo ambonin’ ny farafara hitsaboana azy. Ny fandriany rehetra eo am-paharariany dia hovanao.
YHWH will sustain him on his sickbed, and restore him from his bed of illness.
4 Hoy izaho: Jehovah ô, mamindrà fo amiko; sitrano ny fanahiko, fa efa nanota taminao aho.
I said, "YHWH, have mercy on me. Heal me, for I have sinned against you."
5 Ny fahavaloko maniry ahy ho simba ka manao hoe: Rahoviana no ho faty izy, ka ho very ny anarany?
My enemies speak evil against me: "When will he die, and his name perish?"
6 Ary raha avy mamangy, izy dia miteny zava-poana; ny fony mamory faharatsiana ho an’ ny tenany; mivoaka eny ivelany izy ka milazalaza.
If he comes to see me, he speaks falsehood. His heart gathers iniquity to itself. When he goes abroad, he tells it.
7 Mitakoritsika ahy izay rehetra mankahala ahy; misaina hanisy ratsy ahy izy.
All who hate me whisper together against me. They imagine the worst for me.
8 Tena zava-dratsy, hoy izy, no aidina aminy; ary raha mandry izy dia tsy hitsangana intsony.
"A wicked thing is poured out on him; and he who lies down will not rise again."
9 Eny, ny sakaizako, izay maha-toky ahy sady nihinana ny haniko, no nanangana ny ombelahin-tongony hamely ahy.
Even my own close friend, in whom I trusted, who ate my bread, has lifted up his heel against me.
10 Fa ianao kosa Jehovah ô, mamindrà fo amiko, ka atsangano aho mba hamaliako azy.
But you, YHWH, have mercy on me, and raise me up, that I may repay them.
11 Izao no hahafantarako fa mankasitraka ahy Hianao, dia ny tsy anakoran’ ny fahavaloko ahy.
By this I know that you delight in me, because my enemy doesn't triumph over me.
12 Ary ny amiko, dia manohana ahy amin’ ny fahitsiako Hianao, ka mampitoetra ahy eo anatrehanao mandrakizay.
As for me, you uphold me in my integrity, and set me in your presence forever.
13 Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hatramin’ ny taloha indrindra ka mandrakizay. Amena dia Amena.
Blessed be YHWH, the God of Israel, from everlasting and to everlasting. Amen and amen.

< Salamo 41 >