< Salamo 4 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ ny valiha. Salamo nataon’ i Davida. Raha miantso aho, mamalia ahy, ry Andriamanitry ny fahamarinako ô; Raha tao an-katerena aho, dia nohalalahinao toerana; Mamindrà fo amiko, ka henoy ny fivavako.
大衛的詩,交與伶長。用絲弦的樂器。 顯我為義的上帝啊, 我呼籲的時候,求你應允我! 我在困苦中,你曾使我寬廣; 現在求你憐恤我,聽我的禱告!
2 Ry lehibe, mandra-pahoviana no hataonareo ho henatra ny voninahitro, ary ho tia zava-poana sy hamoron-dainga ianareo? (Sela)
你們這上流人哪,你們將我的尊榮變為羞辱要到幾時呢? 你們喜愛虛妄,尋找虛假,要到幾時呢? (細拉)
3 Kanefa aoka ho fantatrareo fa efa navahan’ i Jehovah ho Azy ny tsara fanahy; Jehovah hihaino, raha miantso Azy aho.
你們要知道,耶和華已經分別虔誠人歸他自己; 我求告耶和華,他必聽我。
4 Tezera, fa aza manota; mieritrereta eo am-pandrianareo, ka mangìna. (Sela)
你們應當畏懼,不可犯罪; 在床上的時候,要心裏思想,並要肅靜。 (細拉)
5 Manatera fanati-pahamarinana, ary matokia an’ i Jehovah.
當獻上公義的祭, 又當倚靠耶和華。
6 Maro no niteny hoe: iza no haneho soa antsika? Asandrato aminay ny fahazavan’ ny tavanao, Jehovah ô.
有許多人說:誰能指示我們甚麼好處? 耶和華啊,求你仰起臉來,光照我們。
7 Efa nasianao fifaliana ny foko mihoatra noho ny tamin’ ny taona nahabetsahan’ ny variny sy ny ranom-boalobony.
你使我心裏快樂, 勝過那豐收五穀新酒的人。
8 Handry amin’ ny fiadanana aho, ka dia hatory miaraka amin’ izay, satria Hianao, Jehovah ô, no mampitoetra ahy mitokana irery tsy manana ahiahy.
我必安然躺下睡覺, 因為獨有你-耶和華使我安然居住。

< Salamo 4 >