< Salamo 38 >

1 Salamo nataon’ i Davida. Ho fampahatsiarovana. Jehovah ô, aza ny fahatezeranao no ananaranao ahy; ary aza ny fahaviniranao no amaizanao ahy. 2 Fa mitsatoka amiko ny zana-tsipìkanao, ary manindry ahy mafy ny tananao, 3 Tsy misy fahasalamana ny nofoko noho ny fahatezeranao; tsy misy tsy marary ny taolako noho ny fahotako. 4 Fa ny heloko efa mihoatra ny lohako; tahaka ny entana mavesatra izy ka tsy zakako. 5 Maimbo sady mihady ny feriko noho ny hadalako. 6 Mitanondrika sy mijoretra indrindra aho, ary misaona mandrakariva. 7 Ary ny vaniako henika ny aretina mahamay, ka tsy misy fahasalamana ny nofoko. 8 Marikoditra aho sady torovana indrindra; midradradradra aho noho ny fitolokon’ ny foko. 9 Ry Tompo ô, eo anatrehanao ny faniriako rehetra; ary ny fisentoako tsy mba miafina aminao. 10 Miemponempona ny foko, lany ny heriko, ary ny fahiratan’ ny masoko aza efa nandao ahy. 11 Ny olo-malalako sy ny sakaizako aza efa manalavitra ny fahoriako; Ary ny havako mijanona eny lavitra eny. 12 Mamela-pandrika izay mitady ny aiko; ary izay mitady hanimba ahy miteny fanimbana, sy misaim-pitaka mandrakariva. 13 Fa izaho dia tahaka ny marenina ka tsy mandre, ary tahaka ny moana ka tsy mahaloa-bava; 14 Eny, dia tahaka ny olona tsy mandre, sady tsy misy teny havaly eo am-bavany. 15 Fa ianao no antenaiko Jehovah ô; ianao no hamaly, ry Tompo Andriamanitra ô. 16 Fa hoy izaho: sao dia hifalian’ izy ireo anie aho; ary raha mibolisatra ny tongotro, dia hirehareha amiko izy. 17 Fa efa ho lavo aho, ary ny fanaintainako dia tsaroako mandrakariva. 18 Fa ny heloko no hambarako; matahotra aho noho ny fahotako. 19 Fa ny fahavaloko velona ihany sady mahery; ary maro no mandrafy ahy tsy ahoan-tsy ahoana; 20 Ary mamaly ratsy ny soa izy ireo ka mandrafy ahy ho valin’ ny fanarahako ny tsara. 21 Aza mahafoy ahy, Jehovah ô; Ry Andriamanitro ô, aza manalavitra ahy. 22 Faingàna hamonjy ahy, ry Tompo, Mpamonjy ahy ô.

< Salamo 38 >