< Salamo 32 >

1 Nataon’ i Davida. Maskila.
ダビデのマスキールの歌 そのとががゆるされ、その罪がおおい消される者はさいわいである。
2 Sambatra ny olona izay tsy isain’ i Jehovah heloka, ary tsy misy fitaka ny fanahiny.
主によって不義を負わされず、その霊に偽りのない人はさいわいである。
3 Raha nangina aho, dia nihalany ny taolako rehetra, noho ny fitarainako mandrakariva,
わたしが自分の罪を言いあらわさなかった時は、ひねもす苦しみうめいたので、わたしの骨はふるび衰えた。
4 Fa efa navesatra tamiko andro aman’ alina ny tananao; niova ny fahatanjahako toy ny azon’ ny fahamainana amin’ ny lohataona. (Sela)
あなたのみ手が昼も夜も、わたしの上に重かったからである。わたしの力は、夏のひでりによってかれるように、かれ果てた。 (セラ)
5 Ny fahotako nambarako taminao, ary ny heloko tsy mba nafeniko. Hoy izaho: hiaiky ny fahadisoako amin’ i Jehovah aho; ary Hianao dia namela ny heloky ny fahotako. (Sela)
わたしは自分の罪をあなたに知らせ、自分の不義を隠さなかった。わたしは言った、「わたしのとがを主に告白しよう」と。その時あなたはわたしの犯した罪をゆるされた。 (セラ)
6 Izany no aoka hivavahan’ ny tsara tsara fanahy rehetra aminao amin’ izay andro hahitana Anao; eny tokoa, na dia tondraka aza ny rano be, tsy hahatratra azy izany.
このゆえに、すべて神を敬う者はあなたに祈る。大水の押し寄せる悩みの時にもその身に及ぶことはない。
7 Hianao no fiereko, miaro ahy tsy ho azon’ ny fahoriana Hianao; fihobiam-pamonjena no ahodidinao ahy. (Sela)
あなたはわたしの隠れ場であって、わたしを守って悩みを免れさせ、救をもってわたしを囲まれる。 (セラ)
8 Hanome saina anao sy hampianatra anao izay lalan-kalehanao Aho; hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho.
わたしはあなたを教え、あなたの行くべき道を示し、わたしの目をあなたにとめて、さとすであろう。
9 Aza manahaka ny soavaly na ny ampondra tsy manan-tsaina; vy sy lamboridy no haingo hihazonana azy, fa tsy mety manakaiky anao izy.
あなたはさとりのない馬のようであってはならない。また騾馬のようであってはならない。彼らはくつわ、たづなをもっておさえられなければ、あなたに従わないであろう。
10 Be ny fanaintainan’ ny ratsy fanahy, fa izay matoky an’ i Jehovah kosa dia ho hodidinin’ ny famindram-po.
悪しき者は悲しみが多い。しかし主に信頼する者はいつくしみで囲まれる。
11 Mifalia amin’ i Jehovah, ary ravoravoa, ianareo olo-marina, ary mihobia, ianareo mahitsy fo rehetra.
正しき者よ、主によって喜び楽しめ、すべて心の直き者よ、喜びの声を高くあげよ。

< Salamo 32 >