< Salamo 32 >

1 Nataon’ i Davida. Maskila. 2 Sambatra ny olona izay tsy isain’ i Jehovah heloka, ary tsy misy fitaka ny fanahiny. 3 Raha nangina aho, dia nihalany ny taolako rehetra, noho ny fitarainako mandrakariva, 4 Fa efa navesatra tamiko andro aman’ alina ny tananao; niova ny fahatanjahako toy ny azon’ ny fahamainana amin’ ny lohataona. (Sela) 5 Ny fahotako nambarako taminao, ary ny heloko tsy mba nafeniko. Hoy izaho: hiaiky ny fahadisoako amin’ i Jehovah aho; ary Hianao dia namela ny heloky ny fahotako. (Sela) 6 Izany no aoka hivavahan’ ny tsara tsara fanahy rehetra aminao amin’ izay andro hahitana Anao; eny tokoa, na dia tondraka aza ny rano be, tsy hahatratra azy izany. 7 Hianao no fiereko, miaro ahy tsy ho azon’ ny fahoriana Hianao; fihobiam-pamonjena no ahodidinao ahy. (Sela) 8 Hanome saina anao sy hampianatra anao izay lalan-kalehanao Aho; hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho. 9 Aza manahaka ny soavaly na ny ampondra tsy manan-tsaina; vy sy lamboridy no haingo hihazonana azy, fa tsy mety manakaiky anao izy. 10 Be ny fanaintainan’ ny ratsy fanahy, fa izay matoky an’ i Jehovah kosa dia ho hodidinin’ ny famindram-po. 11 Mifalia amin’ i Jehovah, ary ravoravoa, ianareo olo-marina, ary mihobia, ianareo mahitsy fo rehetra.

< Salamo 32 >