< Salamo 3 >

1 Salamo nataon’ i Davida, fony izy nandositra an’ i Absaloma zanany. Jehovah ô, akory izato hamaroan’ ny mampahory ahy! Maro no mitsangana hanohitra ahy. 2 Maro no milaza ny fanahiko hoe: tsy manam-pamonjena amin’ Andriamanitra izy. (Sela) 3 Kanjo Hianao, Jehovah ô, no ampinga manodidina ahy, Voninahitro sy mpanandratra ny lohako. 4 Amin’ ny feoko no iantsoako an’ i Jehovah, ary any an-tendrombohiny masìna no mamaly ahy Izy. 5 Izaho nandry ka natory; nifoha aho, satria Jehovah no manohana ahy. (Sela) 6 Tsy hatahotra olona alinalina aho, izay milahatra manodidina hamely ahy. 7 Mitsangàna, Jehovah ô; vonjeo aho, Andriamanitro ô; fa efa namely ny takolaky ny fahavaloko rehetra Hianao; ny nifin’ ny ratsy fanahy novakivakinao. 8 An’ i Jehovah ny famonjena; Ho amin’ ny olonao anie ny fitahianao. (Sela)

< Salamo 3 >