< Salamo 28 >

1 Nataon’ i Davida. 2 Mihainoa ny feon’ ny fifonako, raha mitaraina aminao aho, raha manandratra ny tanako ho amin’ ny fitoeranao masìna indrindra aho. 3 Aza atao indray manakipaka amin’ ny ratsy fanahy sy ny mpanao meloka aho, fa ireny dia milaza fihavanana amin’ ny namany, kanjo ratsy no ao am-pony. 4 Manomeza azy araka ny asany sy ny faharatsian’ ny ataony; eny, manomeza azy araka ny vitan’ ny tànany, valio izy araka izay iendrehany. 5 Fa tsy mihevitra ny asan’ i Jehovah, na ny vitan’ ny tànany, izy, dia horavan’ i Jehovah izy, fa tsy haoriny. 6 Isaorana anie Jehovah, fa efa nihaino ny feon’ ny fifonako Izy. 7 Jehovah no heriko sy ampingako; izy no nitokian’ ny foko, ka voavonjy aho; dia mifaly ny foko, ka ny hirako no hiderako Azy. 8 Jehovah no heriny, ary Izy no fiarovana mafy hamonjena ny voahosony. 9 Vonjeo ny olonao, ary tahio ny lovanao; andraso izy, ka tezao mandrakizay.

< Salamo 28 >