< Salamo 27 >

1 Nataon’ i Davida. 2 Raha manatona ahy hihinana ny nofoko ny ratsy fanahy, izay fahavaloko sy rafilahiko, dia izy ihany no tafintohina ka lavo. 3 Na dia misy antokony mitoby hiady amiko aza, tsy hatahotra ny foko; na dia misy ady mihatra amiko aza, dia hatoky ihany aho. 4 Zavatra iray loha no nangatahiko tamin’ i Jehovah, izany no hotadiaviko, dia ny hitoetra ao an-tranon’ i Jehovah amin’ ny andro rehetra hiainako, mba ho faly mijery ny fahasoavan’ i Jehovah sy mandinika ny tempoliny. 5 Fa hanafina ahy ao an-trano fialofany amin’ ny andro fahoriana Izy; hampiery ahy amin’ ny fierena ao an-dainy Izy; hanandratra ahy ho eny ambony vatolampy Izy. 6 Koa dia hisandratra ambonin’ ny fahavaloko manodidina ahy ny lohako, ka hanatitra fanatitra hihobiana ao an-dainy aho; hihira sy hankalaza an’ i Jehovah aho. 7 Mihainoa, Jehovah ô, fa mitaraina mafy aho; ary mamindrà fo amiko, ka valio aho. 8 Raha hoy Hianao: tadiavonareo ny tavako, dia hoy ny navalin’ ny foko: Eny, ny tavanao no tadiaviko, Jehovah ô; 9 Aza manafina ny tavanao amiko, aza mandroaka ny mpanomponao an-katezerana; efa famonjena ahy Hianao; aza manary na mahafoy ahy, ry Andriamanitry ny famonjena ahy. 10 Fa ny raiko aman-dreniko efa nahafoy ahy; fa Jehovah kosa no mandray ahy. 11 Ampianaro ny lalanao aho, Jehovah ô; ary tariho amin’ ny lalana marina aho noho ny fahavaloko. 12 Aza manolotra ahy ho amin’ ny sitrapon’ ny mpampahory ahy; fa vavolombelona mandainga sy izay mifofofofo loza no mitsangana hiampanga ahy. 13 Raha izay re aho no tsy nanantena hahita ny fahasoavan’ i Jehovah amin’ ny tanin’ ny velona. 14 Miandrasa an’ i Jehovah ianao; matokia, ary aoka hahery ny fonao; eny, miandrasa an’ i Jehovah.

< Salamo 27 >