< Salamo 26 >

1 Nataon’ i Davida. 2 Diniho aho, Jehovah ô, ka fantaro; izahao toetra ny voako sy ny foko. 3 Fa ny famindram-ponao no eo anoloan’ ny masoko; ary mandeha amin’ ny fahamarinanao aho. 4 Tsy mba miara-mipetraka amin’ ny olon-dratsy aho, na manan-draharaha amin’ ny olom-petsy. 5 Halako ny fiangonan’ ny mpanao ratsy; ary tsy miara-mipetraka amin’ ny ratsy fanahy aho. 6 Manasa ny tanako noho ny fahamarinako aho, ka te-hitoetra eo akaikin’ ny alitaranao, Jehovah ô, 7 Mba hanao feo fiderana, ka hilaza ny asanao mahagaga rehetra. 8 Jehovah ô, tiako ny trano itoeranao, dia ny fonenan’ ny voninahitrao. 9 Aza mitondra ny fanahiko hiara-maty amin’ ny mpanota, na ny aiko amin’ ny mpandatsa-drà, 10 Izay misy fitaka eny an-tànany, ary feno kolikoly ny tànany ankavanana. 11 Fa izaho kosa dia mandeha amin’ ny fahamarinako; avoty sy amindrao fo aho. 12 Ny tongotro mijoro eo amin’ ny tany marina; eo am-piangonana no isaorako an’ i Jehovah.

< Salamo 26 >