< Salamo 25 >

1 Nataon’ i Davida. 2 Andriamanitro ô, Hianao no itokiako, aoka tsy ho menatra aho; aoka tsy hifalian’ ny fahavaloko aho. 3 Eny, tsy hisy ho menatra izay rehetra miandry Anao; fa izay mivadika foana no ho menatra. 4 Ampahafantaro ny lalanao aho, Jehovah ô; ampianaro ny sitrakao aho. 5 Tariho amin’ ny fahamarinanao aho, ka ampianaro; fa Hianao no Andriamanitry ny famonjena ahy; Hianao no andrasako mandritra ny andro. 6 Tsarovy ny antranao sy ny indrafonao, Jehovah ô, fa hatrizay hatrizay ireny. 7 Aza ny fahotan’ ny fahatanorako, na ny ratsy nataoko, no tsarovanao; fa aoka ho araka ny famindram-ponao no hahatsiarovanao ahy, noho ny fahasoavanao Jehovah ô, 8 Tsara sy mahitsy Jehovah, ka izany no ampianarany ny mpanota ny lalana. 9 Mitarika ny mpandefitra amin’ ny marina Izy, ary mampianatra ny mpandefitra ny lalany. 10 Ny lalan’ i Jehovah rehetra dia famindram-po sy fahamarinana amin’ izay mitandrina ny fanekeny sy ny teni-vavolombelony. 11 Noho ny anaranao, Jehovah ô, dia mamelà ny heloko, fa lehibe izany. 12 Iza no lehilahy matahotra an’ i Jehovah? Izy no hampianariny izay lalana tokony hofidiny. 13 Ny fanahiny hitoetra amin’ ny soa; ary ny taranany handova ny tany. 14 Ny fisainan’ i Jehovah asehony amin’ izay matahotra Azy, ary ny fanekeny no hampahafantariny azy. 15 Ny masoko mijery an’ i Jehovah mandrakariva; fa Izy no nanafaka ny tongotro tamin’ ny fandrika harato. 16 Todiho aho, ka amindrao fo, fa irery aho ka mahantra. 17 Ny fahorian’ ny foko efa mihalehibe; afaho amin’ ny fahatereko aho. 18 Jereo ny fahoriako sy ny mavesatra amiko, ka mamelà ny fahotako rehetra. 19 Jereo ny fahavaloko, fa maro izy; ary loza ny fankahalàny ahy. 20 Arovy ny fanahiko, ka vonjeo aho; aoka tsy ho menatra aho, fa mialoka aminao. 21 Aoka ny tsi-fisian-tsiny sy ny fahitsiana no hiaro ahy; fa miandry Anao aho. 22 Andriamanitra ô, afaho ny Isiraely, amin’ ny fahoriany rehetra.

< Salamo 25 >