< Salamo 23 >

1 Salamo nataon’ i Davida. 2 Mampandry ahy amin’ ny ahi-maitso Izy; mitondra ahy eo amoron’ ny rano fialan-tsasatra Izy. 3 Mamelombelona ny fanahiko Izy; mitarika ahy amin’ ny lalan’ ny fahamarinana noho ny anarany Izy. 4 Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho, fa Hianao no amiko; ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy. 5 Mamelatra latabatra eo anoloako eo imason’ ny fahavaloko Hianao; manosotra diloilo ny lohako Hianao; ny kapoakako feno dia feno. 6 Eny tokoa, fahasoavana sy famindram-po no hanaraka ahy amin’ ny andro rehetra hiainako, dia hitoetra ao an-tranon’ i Jehovah andro lava aho.

< Salamo 23 >