< Salamo 22 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Alaieleth-hasahara. Salamo nataon’ i Davida. Andriamanitra ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy ahy Hianao? Lavitra ny famonjena ahy ny tenin’ ny fitarainako.
大衛的詩,交與伶長。調用朝鹿。 我的上帝,我的上帝!為甚麼離棄我? 為甚麼遠離不救我?不聽我唉哼的言語?
2 Andriamanitro ô, miantso aho nony andro, nefa tsy mamaly Hianao; ary nony alina, nefa tsy mahita fiononana aho.
我的上帝啊,我白日呼求,你不應允, 夜間呼求,並不住聲。
3 Kanefa masìna Hianao, Ry mipetraka eo ambonin’ ny fideran’ ny Isiraely.
但你是聖潔的, 是用以色列的讚美為寶座的。
4 Hianao no nitokian’ ny razanay; Natoky izy, ka namonjy azy Hianao.
我們的祖宗倚靠你; 他們倚靠你,你便解救他們。
5 Hianao no nitarainany, ka afaka izy; Hianao no nitokiany, ka tsy menatra izy.
他們哀求你,便蒙解救; 他們倚靠你,就不羞愧。
6 Ary izaho dia olitra, fa tsy olona, fandatsan’ olona sy fanevatevam-bahoaka.
但我是蟲,不是人, 被眾人羞辱,被百姓藐視。
7 Izay rehetra mahita ahy dia manaraby ahy; manondro molotra izy sady mihifikifi-doha ka manao hoe:
凡看見我的都嗤笑我; 他們撇嘴搖頭,說:
8 Ankino amin’ i Jehovah, dia aoka Izy hamonjy azy; eny, aoka Izy hanafaka azy, raha mankasitraka azy Izy.
他把自己交託耶和華,耶和華可以救他吧! 耶和華既喜悅他,可以搭救他吧!
9 Fa Hianao no nampivoaka ahy avy tao an-kibo; nampandry ahy fahizay ianao, fony aho mbola nampinonoin’ ny reniko;
但你是叫我出母腹的; 我在母懷裏,你就使我有倚靠的心。
10 Nankinina taminao hatrany am-bohoka aho; hatrany an-kibon-dreniko dia Andriamanitro Hianao.
我自出母胎就被交在你手裏; 從我母親生我,你就是我的上帝。
11 Aza manalavitra ahy Hianao, fa akaiky ny fahoriana, sady tsy misy mpamonjy.
求你不要遠離我! 因為急難臨近了,沒有人幫助我。
12 Mitangorona amiko ireo ombilahy be, ny maherin’ i Basana manemitra ahy.
有許多公牛圍繞我, 巴珊大力的公牛四面困住我。
13 Misanasana vava amiko izy; eny, liona mamiravira sy mierona izy.
牠們向我張口, 好像抓撕吼叫的獅子。
14 Efa rano aidina aho, ka mivaha ny taolako rehetra; tahaka ny savoka ny foko: miempo ato anatiko izy.
我如水被倒出來; 我的骨頭都脫了節; 我心在我裏面如蠟鎔化。
15 Maina tahaka ny tavim-bilany ny heriko, ary ny lelako miraikitra amin’ ny lanilaniko; ao amin’ ny vovoky ny fahafatesana no ametrahanao ahy.
我的精力枯乾,如同瓦片; 我的舌頭貼在我牙床上。 你將我安置在死地的塵土中。
16 Fa mitangorona amiko ny amboa, ny fiangonan’ ny ratsy fanahy manemitra ahy. Manindrona ny tongotro aman-tanako izy
犬類圍着我,惡黨環繞我; 他們扎了我的手,我的腳。
17 Mahisa ny taolako rehetra aho ireo dia mibanjina sady mangarika ahy.
我的骨頭,我都能數過; 他們瞪着眼看我。
18 Mizara ny fitafiako ho azy izy; ary ny akanjoko ilokàny.
他們分我的外衣, 為我的裏衣拈鬮。
19 Fa Hianao, Jehovah ô, aza manalavitra; ry Heriko ô, faingana hamonjy ahy.
耶和華啊,求你不要遠離我! 我的救主啊,求你快來幫助我!
20 Vonjeo amin’ ny sabatra ny fanahiko, dia ny hany malalako amin’ ny herin’ ny amboa.
求你救我的靈魂脫離刀劍, 救我的生命脫離犬類,
21 Vonjeo amin’ ny vavan’ ny liona aho; ary valio ho afaka amin’ ny tandroky ny ombimanga.
救我脫離獅子的口; 你已經應允我,使我脫離野牛的角。
22 Hitory ny anaranao amin’ ny rahalahiko aho; eo amin’ ny fiangonana no hideràko Anao.
我要將你的名傳與我的弟兄, 在會中我要讚美你。
23 Hianareo izay matahotra an’ i Jehovah, miderà Azy; ry taranak’ i Jakoba rehetra, manomeza voninahitra Azy; ary matahora Azy, ry Zanak’ Isiraely rehetra.
你們敬畏耶和華的人要讚美他! 雅各的後裔都要榮耀他! 以色列的後裔都要懼怕他!
24 Fa tsy manao tsinontsinona na marikorikon’ ny fahorian’ ny ory Izy, ary tsy mba manafina ny tavany aminy; fa raha mitaraina aminy ireny, dia mihaino Izy.
因為他沒有藐視憎惡受苦的人, 也沒有向他掩面; 那受苦之人呼籲的時候,他就垂聽。
25 Avy aminao no ahazoako manao fiderana eo amin’ ny fiangonan-dehibe; ny voadiko dia hefaiko eo anatrehan’ izay matahotra an’ i Jehovah.
我在大會中讚美你的話是從你而來的; 我要在敬畏耶和華的人面前還我的願。
26 Hihinana ny mpandefitra ka ho voky; hidera an’ i Jehovah izay mitady azy; ho velona mandrakizay anie ny fonareo.
謙卑的人必吃得飽足; 尋求耶和華的人必讚美他。 願你們的心永遠活着!
27 Hahatsiaro ka hiverina ho amin’ i Jehovah ny faran’ ny tany rehetra; ary hiankohoka eo anatrehanao ny fokon’ ny firenen-tsamy hafa.
地的四極都要想念耶和華,並且歸順他; 列國的萬族都要在你面前敬拜。
28 Fa an’ i Jehovah ny fanjakana; ary manapaka amin’ ny firenen-tsamy hafa Izy.
因為國權是耶和華的; 他是管理萬國的。
29 Hihinana sy hiankohoka ny mpanefoefo rehetra ambonin’ ny tany, eo anatrehany no hiondrehan’ izay rehetra efa hidina any amin’ ny vovoka ka tsy mahavelona ny ainy.
地上一切豐肥的人必吃喝而敬拜; 凡下到塵土中-不能存活自己性命的人 -都要在他面前下拜。
30 Hisy taranaka hanompo Azy; ary ny Tompo dia holazaina amin’ ny taranaka ho avy.
他必有後裔事奉他; 主所行的事必傳與後代。
31 Hisy ho avy ka hanambara ny fahamarinany, amin’ ny olona izay mbola hateraka, fa Izy no nanao izany.
他們必來把他的公義傳給將要生的民, 言明這事是他所行的。

< Salamo 22 >